“Boky ho an’ny sakaiza”
Olona maro no nanolotra ho an’ny hafa tamin’ilay boky hoe Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra satria mankasitraka azy io tokoa izy ireo. Ohatra, ny mponina iray any India, Etazonia, dia nanoratra hoe:
“Iriko ny hidera anareo noho ny boky kanto izay vao avy novakiko, Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra. Tsara tokoa ny fomba nanoratana azy sady mora azo; ny tanora sy ny olona be taona dia handray soa amin’ny famakiana azy.
“Mila hafa aminy aho ho an’ny sakaiza, ary ho tiako koa ny hampiasa an’io boky io ho fanomezana amin’ny fampakaram-bady.
“Satria aho anisan’ny Fiangonana protestanta iray, (...) dia tsy iriko ny handefasanareo ho ahy boky hafa ankoatran’io boky io (...). Raha afaka mividy folo amin’izy io aho amin’ny vidiny antonony, dia ho faly aho raha afaka manome fahafaham-po ny fangatahako ianareo.”
Angamba mitarika anao hanana fihetseham-po mitovy amin’ny an’io olona io ny boky Fiainam-pianakaviana. Mahafantatra olona izay ho tianao hampahalalaina azy io ve ianao? Nahoana raha mandefa anankiray ho fanomezana? Amin’izany dia fenoy fotsiny ary alefaso ny tapakila eto ambany, ary ampiaraho amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 600 FMG izany.
Aza fady mba alefaso amin’ity adresy ity, tsy misy sarany haloan’ilay andefasana azy, anankiray amin’ilay boky mifono baoritra misy pejy 192 hoe Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra, ary koa taratasy manazava fa fanomezana avy amin’i _____________________ izany.
Indro arotsako ny vola 600 FMG amin’ny adiresin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara B.P. 511 — ANTANANARIVO 101.