50 tamin’io no nafarany
Rehefa navoaka ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?, roa taona lasa eo ho eo izay, dia nihevitra ny vehivavy Anglisy iray fa ho fanomezana tsara indrindra io ho an’ny dadatoany 84 taona, mpanao raharaham-barotra nalaza iray tao amin’ny faritr’i Yorkshire. Nomeny anankiray tamin’io àry izy.
Tao anatin’io herinandro io, dia nandefa telefaonina taminy ilay lehilahy mba hilazana taminy hoe: “Mahafinaritra, tena mahafinaritra ilay boky! Mety hahazo hafa amin’io ve aho? Ho tiako ny hanao izany ho fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa amiko.”
Boky 25 monja no azo nomena, ka dodona izy ny hanolotra izany an’ireo mpiray fikambanana taminy. Mbola nila 25 amboniny anefa izy. Vetivety dia azony izany ary nomeny an’ireo mpiara-miasa taminy koa, hany ka tamin’ny fitambarany dia nizara boky 50 izy!
Angamba ianao mitovy fiheverana amin’io mpanao raharaham-barotra io raha ny amin’ilay boky hoe Création. Moa ve ianao mahalala olona ho tianao hampandraisan-tsoa avy amin’io boky momba ny Baiboly io? Nahoana no tsy homenao iray amin’io izy? Amin’izany dia fenoy sy alefaso ny tapakila famaliana eto ambany, amin’ny fampiarahana aminy fandraisana anjara an-tsitrapo 1 500 FMG na 300 ariary.
Aza fady mba alefaso amin’izao adiresy izao, tsy handoavan’ny andefasana azy sarany, anankiray amin’ilay boky 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?, mbamin’ny taratasy iray manazava fa izany dia fanomezana avy amin’i ‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐‐ (ny anaranao). Indro alefa miaraka amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 1 500 FMG na 300 ariary.