FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/8 p. 21
  • Novalian-tsoa ny tsy fivadihana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Novalian-tsoa ny tsy fivadihana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mampiray ireo fianakaviana ny fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • “Nandroso ny Tenin’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/8 p. 21

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Novalian-tsoa ny tsy fivadihana

DIMY ambin’ny folo taona lasa izay, tany Italia, dia nahalala ny fahamarinana Rtoa B——, zazavavy dimy ambin’ny folo taona tamin’izany fotoana izany. Tsy nandroso anefa izy, ary nanambady tsy mpino. Tafajanona tao am-pony anefa ny voan’ny fahamarinana, hany ka herintaona eo ho eo izay, dia nanaiky hiara-hianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izy ka hanatrika ireo fivoriana kristiana. Nandrahona ny handroaka azy ny vadiny izay nanohitra mafy. Nikapoka azy mafy izy io, hany ka voatery notsaboina ilay vehivavy. Indray takariva, dia niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana ilay lehilahy tao anatin’ny fivoriana, nikapoka rahalahy iray, namaky varavaram-pitaratra sy nierona tamin-karomotana.

Rehefa nody ny vadiny, dia navelany teo am-baravarana. Tsy kivy io fa lasa nankany amin’ny paositry ny polisy mba hampahafantatra azy ireo ny tarehin-javatra, avy eo dia lasa natory tany an-tranon’ny nenitoany iray izy. Rehefa afaka roa andro, dia nanaiky ny hiverenany tao an-trano ny lahy.

Fanta-bahoaka tokoa io lehilahy io tao an-tanàna. Nanomboka nanala baraka ampahibemaso ny Vavolombelon’i Jehovah izy ka nilaza fa nitondra loza ho an’ny tokantranony izy ireo. Tamin’ny ady nataony hanoherana azy ireny, dia notohanan’ny klerjy izy. Ny pretra iray dia nampanonta pirinty taratasy miraikitra ho azy misy izao teny izao: “Ry VAVOLOMBELON’I JEHOVAH: Aza manakorontana ny fiadanan’ity fianakaviana ity. MISAOTRA!”. Napetaka teo amin’ireo varavarana tao an-tanàna rehefa avy eo ireny taratasy miraikitra ho azy ireny. Teo am-bavan’ny olona rehetra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, nesoina sy nohamavoina. Na dia tao aza izany, dia mbola be herim-po ihany ireo rahalahy ka naharitra tamin’ny fanompoany tamin-jotom-po tsy mbola nisy toy izany. Fianakaviana maro no nanda ny hametahana ny taratasy miraikitra ho azy teo amin’ny tranony. Notantaraina fa nisy zazalahy vitsivitsy nirahin’ny pretra, nahazo 100 lires mba handehanana hametaka izany teny amin’ireo varavarana.

Nandritra izany fotoana izany, dia nampiomana ny vadiny Atoa B—— fa tsy maintsy handao ny trano izy, satria nisy fikarakarana nataony mba hisian’ny fisarahana ara-dalàna. Nivadika anefa ny tarehin-javatra tao an-tanàna. Ny foiben’ny radiao teo an-toerana dia nampiseho fandaharana iray nilazan’ny mpanolotra an’io raharaha ho “tetika tsy mazava loatra, notarihina tamim-pahambaniana”. Nandritra ny fandefasam-peo, ireo rahalahintsika dia nanazava fa fianakaviana maro be no nametahana an-tery ilay taratasy miraikitra ho azy. Ny porofo dia hoe napetaka tao anatin’ny alina izany na dia teo amin’ny fonenan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy fianakaviana nanaiky ny fitsidihan’izy ireo aza. Nidera ny Vavolombelon’i Jehovah ilay mpivaofy teny ka nilaza fa izy ireny dia “olona mahalala fomba tsara, izay mitondra tena amim-pahalemem-panahy indrindra”.

Farany, dia tonga ny andro nisehoan’ireo mpivady teo anoloan’ny mpitsara mba hanomboka ny raharaha ara-pitsarana momba ny fisarahana nangatahin’ilay lehilahy. Nidera an-dRtoa B—— ny mpitsara noho ny tsy naniriany fisarahana ary nomeny azy ny fiambenana ny ankizy nandritra ny vanim-potoana nanaovana ny raharaha ara-pitsarana manontolo. Mbola honina ao an-trano miaraka amin’ireo zanany ihany izy, ary ny vadiny dia tokony handrotsaka ho azy 250 000 lires isam-bolana. Nanohitra anefa ilay lehilahy: “An-dreniko ny trano ka tsy afaka hitoetra ao ny vadiko.” Dia namaly ny mpitsara hoe: “Tianao ny sady ho vady no ho lehibe. Tokony hilaza hoe eny foana ny vadinao; rehefa mba nilaza hoe tsia indray mandeha izy, dia nanakorontana ny tanàna ianao. Raha nivadika taminao izy, dia ho takatro, fa ny amin’ny faniriany hifidy finoana iray fa tsy hafa, dia tsy mahakasika anao velively.”

Sambatra miasa ho an’i Jehovah izao Rtoa B—— (Matio 5:10). Niova fihetsika ireo mponina tao an-tanàna, ka izany dia niteraka fifanakalozan-kevitra araka ny Baiboly nahavariana. Mifanara-kevitra ny rehetra mba hanaiky fa tsy ny Vavolombelon’i Jehovah akory ny manakorontana ny fiadanan’ireo fianakaviana. Raha mbola misy taratasy miraikitra ho azy vitsivitsy ihany eny am-baravarana, dia tsy misy antony tokony hampisy azy ireny mihitsy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara