FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/6 p. 32
  • Nankasitraka azy ny katolika iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nankasitraka azy ny katolika iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/6 p. 32

Nankasitraka azy ny katolika iray

Vaky kodiarana tany ambanivohitra be ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah Amerikana iray. Nandeha nandondòna ny varavaran’ny trano iray teo akaiky àry izy. Namela azy hiditra ny ramatoa nonina tao mba hiantso an-telefaonina ny mpanamboatra iray. Tatỳ aoriana tokoa dia nandefasan’ilay vehivavy kristiana teny fisaorana izy izay nampiarahiny tamin’ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ho fanomezana. Indro misy tapany tamin’ny valinteny voarainy:

“Tena ho tsotra aminao aho, katolika aho. Ary isaky ny misy tonga eto am-baravarako miaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na bokikely hafa, dia miezaka ny tsy handray azy aho. Raha ohatra aza ka natao izay handraisako azy, dia arotsako ao amin’ny fanariam-pako izany. Latsa-paka lalina ato anatiko hatramin’ny fahazazako ny fivavahana katolika.

“Kanefa, nanintona ahy ny bokinao satria miresaka ‘paradisa’ iray eo amin’ny fonony ary mora vakina. Ireo fanontaniana ambany pejy dia namporisika hamaky azy ary tiako ireo sary. Tamin’ny fomba manokana no nitiavako ny pejy 11, satria andramako atao eto amiko ny paradisa tahaka an’io ho an’ny vorona sy ny biby. Manana ombimanga aho, bitro, tamia, vontsira, vorontsiloza dia, sy vorona isan-karazany. (...)

“Tena nahavita zava-dehibe marina tokoa ianao nampamaky bokin’ny fivavahana hafa tamin’ny katolika iray. Misalasala aho ny amin’ny mety hiovako finoana indray andro any. Nefa namaky io boky io aho, ary mamaky azy ny vadiko amin’izao fotoana izao. Mbola mamerina fisaorana indray!”

Misy 256 pejy io boky tsara dia tsara io; mitovy velarana amin’ity gazety ity izy io ary mirakitra sary maherin’ny 150 ka miloko ny ankamaroany.

Miangavy anareo aho mba hampahafantatra ahy ny fomba mety hahazoako ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara