Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Miteny mafy ny Fariseo i Jesosy
NANOME izao fandrindran-kevitra izao i Jesosy: raha herin’i Satana no amoahany demonia, dia miady an-trano izany Satana. “Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany, hoy izy nanohy ny teniny, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.”
Hadalana ny hilazana fa Jesosy dia namoa voa tsara, famoahana demonia, satria nanompo an’i Satana. Raha tsara ny voa, tsy mety ho lo ilay hazo. Mifanohitra amin’izany, ny vokatra lon’ireo Fariseo, ireo fiampangana tsy marim-pototra sy fanoherana tsy misy fiorenany an’i Jesosy, dia manaporofo fa lo koa izy ireo. “Ry taranaky ny menarana!, hoy Jesosy, hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.”
Koa satria ireo tenintsika taratry ny toe-pontsika, dia azo itsarana antsika izay ambarantsika. Nanamarina toy izao tokoa i Jesosy: “Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.”
Na dia teo aza ny asa mampiseho hery notanterahin’i Jesosy, dia nanao izao fangatahana izao taminy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo: “Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.” Na dia tsy nahita manokana ny fahagagany aza ireny olona tao Jerosalema ireny, dia misy porofo hita maso sy tsy azo lavina fa nisy ireny. Koa izany no namalian’i Jesosy ireo filoha hoe: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona mpaminany.”
Nanazava izay tiany hambara i Jesosy: “Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany.” Rehefa avy natelin’ny hazandrano i Jona, dia nivoaka avy tao, toy ny nitsangana tamin’ny maty; nanambara mialoha àry i Jesosy fa izy koa dia ho faty ary haverina ho amin’ny fiainana amin’ny andro fahatelo. Kanefa, na dia rehefa ho tafatsangana amin’ny maty aza izy aorian’izany, dia handa ny “famantarana ny amin’i Jona” ireo filoha jiosy.
Noho izany, dia nohamafisin’i Jesosy fa ny olona tany Ninive izay nibebaka tamin’ny nitorian’i Jona teny dia hitsangana amin’ny andro fitsarana ka hanameloka ny Jiosy nanda azy. Nanao fampitahana koa izy ny amin’ny mpanjakavavin’i Seba, izay avy tany amin’ny faran’ny tany mba hihaino ny fahendren’i Solomona ary talanjona ny amin’izay hitany sy reny. “Nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto”, hoy ny fanamarihan’i Jesosy.
Avy eo izy dia nanao fanoharana ny amin’ny lehilahy iray nivoahan’ny fanahy maloto. Io lehilahy io, anefa, tsy mba nameno zavatra tsara ny banga, hany ka nisy fanahy fito ratsy kokoa nanjary nahazo azy. “Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity”, hoy Jesosy. Nodiovina ny firenen’Isiraely ary nahita fanovana, izay azo ampitahaina amin’ny fialan’ny fanahy maloto vetivety. Nefa ny fandavany ireo mpaminanin’Andriamanitra, hatramin’ny fara heriny rehefa notoherin’ilay firenena i Kristy mihitsy aza, dia mampiharihary fa ny toetra ratsiny dia mbola ratsy noho ny tany am-boalohany.
Raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny reniny sy ny rahalahiny ka nitoetra teo akaikin’ny vahoaka. Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: “Indro, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.”
“Iza no reniko, sy rahalahiko?” hoy ny fanontanian’i Jesosy. Sady naninjitra tanana ho amin’ny mpianany izy, no nilaza hoe: “Indreo ny reniko sy rahalahiko! Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” Tamin’izany fihetsika izany, no nampisehoan’i Jesosy fa na dia mafy tokoa aza ny fatorana nampiray azy tamin’ny fianakaviany, izay mampiray azy amin’ny mpianany dia mbola akaiky kokoa. Matio 12:33-50; Marka 3:31-35; Lioka 8:19-21.
◆ Nahoana no azo atao ny milaza, raha ny amin’ny Fariseo, fa tsy tsara ny hazo sy ny voany?
◆ Inona moa “ny famantarana ny amin’i Jona”, ary tamin’ny heviny ahoana no nolavina izany?
◆ Tamin’ny ahoana moa ny firenen’Isiraely no sahala amin’ilay lehilahy nivoahan’ny fanahy maloto?
◆ Ahoana no nanasoritan’i Jesosy ny fatorana akaiky nampiray azy tamin’ireo mpianany?