Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
“Fivoriamben’ny distrika mahatalanjona”
IZANY no lohateny tamin’ny sora-baventy tao amin’ny gazety mivoaka isan’andro iray tany Martinez de la Torre, any Meksika, ary izany dia ny amin’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tanàna io. Nanambara toy izao io gazety io: “Olona maro no nanatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny [Vavolombelon’i Jehovah] izay natao tao amin’ny Lapan’ny Fampisehoana. Izany dia fanehoana mahalaza zavatra betsaka indrindra ny amin’ny fisehoan-javatra voamarika amin’izao andro izao maneran-tany: mihatsy matoky ireo fampianaran’ny Fiangonana lazaina fa ‘kristiana’ ny olona, ary miaiky mafy fa lehibe loatra ireo zava-manahirana ka tsy ho voalamin’ireo fitondram-panjakana.
“Mbola tsy nisy fihaonambe ara-politika na hafa nahavory olona betsaka toy izany tao anatin’ny filaminana sy ny fahadiovana tahaka izany. Nahatalanjona tokoa ny nahita olona 5 000 nihaino tamim-pitandremana lahateny niorina tanteraka tamin’ny Baiboly sy namelabelatra lafiny samihafa amin’ny fiainana andavanandro, manomboka amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny fiainam-pianakaviana ka hatramin’ny fahasalamana ara-pitondrantena sy ara-panahy; ireny olona rehetra ireny koa dia nanaraka tamim-pahalianana tantara araka ny Baiboly iray sy ny fampiharana azy amin’izao androntsika izao.”
Rehefa avy namelabelatra ny amin’ny “fampisehoana fahitam-bokatra sy fandaminana mahagaga” nomen’ny Vavolombelona ilay gazety dia nanampy teny toy izao: “Ny maha-zava-dehibe ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ny tanintsika dia azo lanjaina amin’ny vokatra azon’izy ireo tao anatin’ny taona vitsivitsy monja. Amin’izao andro izao, ny fikambanan’izy ireo dia mitombo haingana, tsy misy fiahiana velively ny amin’ireo fanambarana tsy dia mahafinaritra mihatra amin’izy ireo mandrakariva. Afa-tsy izany koa, izay rehetra mety holazaina ho fanoherana azy ireo dia tsy misy vokany rehefa hita ny fomba fitondrany tena amin’ny toe-javatra miseho rehetra, ny fandrindran-javatra asehony eo amin’ny fandaharam-panitarana ataony, ny fanajany ny fahefana, toy izany koa ny fifikirany amin’ny fahadiovana sy ny fahalalany fomba eo amin’ny resaka ataony.
“Ireny Mpianatra ny Baiboly ireny dia saika mpanaraka fivavahana hafa daholo taloha, indrindra fa avy amin’ny fivavahana katolika. Voamarik’izy ireo ny fironan’ny fivavahana hitsabaka amin’ny raharaha ara-politika sy hanaiky, na hankasitraka mihitsy aza, fitondrantena mifanohitra amin’ny Baiboly, izay miseho indrindra amin’ny fanakambanam-pinoana, ny fahalotoam-pitondrantena sy ny herisetra. Nifaly aoka izany izy ireo afaka mampifanaraka ny fiainany amin’ireo fotopoto-pitsipi-pitondrantena ao amin’ny Soratra Masina, ary niala tamin’ny fanompoan-tsampy sy ireo lovantsofina maizimaizina ny fiandohany. Izany dia nitondra ho azy ireo firaisam-pinoana mendri-piderana izay toa mampiavaka azy ireny amin’ny hafa, na aiza na aiza misy azy.”
Izany resaka izany dia mampahatsiahy antsika ny fotopoto-pitsipika nambaran’i Jesosy hoe: “Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:16). Tany Meksika, dia olona tso-po maro be no nanjary nahatakatra fa ireo fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia notsoahina avy amin’ny Baiboly; miaraka amin’izy ireo izy ireny ary mandray fitahiana ara-panahy be dia be avy amin’i Jehovah Andriamanitra.
[Sary, pejy 29]
Fampisehoana misy ohatra tao amin’ny fivoriambe iray tany Meksika.