FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/2 p. 8-9
  • Ny lalan’ny fiainana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny lalan’ny fiainana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay toriteny malaza indrindra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Aoka ianao ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ilay Toriteny Malaza teo An-tendrombohitra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Manaova Soa Hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/2 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Ny lalan’ny fiainana

NY LALAN’NY fiainana dia ny fanarahana ireo fampianaran’i Jesosy. Tsy mora arahina anefa izany. Ireo Fariseo, ohatra, dia nirona hitsara tamim-pahasiahana ny mpiara-belona taminy, ary olona maro no azo inoana fa nanahaka azy ireny. Noho izany antony izany, tao amin’ny tohin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia nandefa izao fananarana izao i Jesosy: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.”

Mampidi-doza ny fanahafana ireo Fariseo be fanakianana loatra. Araka ny fitantaran’i Lioka, dia nanazava izany loza izany tamin’izao teny izao i Jesosy: “Ny jamba va mahatari-dalàna ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?”

Fahotana lehibe ny ho be fanakianana loatra ny hafa, na amin’ny fampitomboana ny fahadisoany na amin’ny fampahatsiahivana izany foana. Nametraka izao fanontaniana izao àry i Jesosy: “Ahoana no hilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”

Tsy milaza akory izany fa tokony hanao zavatra tsy misy fahaiza-manavaka amin’ny olon-kafa ireo mpianany, satria izao no nambaran’i Jesosy: “Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vato soanareo.” Masina ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azo ampitahaina amin’ny perla izany. Koa raha misy olona sahala amin’ny alika sy ny kisoa, tsy mihevitra ho misy vidiny mihitsy ireny fahamarinana sarobidy ireny, dia tokony havelan’ireo mpianatr’i Jesosy izy ireny ka hitady sofina mihaino kokoa any an-toeran-kafa izy.

Na dia efa niresaka ny amin’ny vavaka aza i Jesosy tao amin’ny toriteniny, dia nosoritany izao ny ilàna haharitra amin’izany. “Mangataha [hatrany, MN ], hoy ny fanoroany hevitra mafy, dia homena hianareo.” Mba hampisehoana fa vonona ny hamaly vavaka Andriamanitra, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Iza moa aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? (...) Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy?”

Avy eo i Jesosy dia nanonona tenim-pahendrena izay tonga fitsipi-pitondrantena malaza antsoina hoe fitsipika volamena. Hoy izy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” Ny fiainana mifanaraka amin’io fitsipika io dia mahafaoka fanaovan-javatra amin’ny fomba manorina amin’ny fanaovan-javatra tsara ho an’ny hafa, amin’ny fitondrana azy ireny araka ny ho tiana hitondrana ny tena.

Izao toromarika nomen’i Jesosy manaraka izao dia mampiharihary fa tsy mora arahina akory ny lalan’ny fiainana: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”

Betsaka ny zavatra mety hampaniasia. Koa nanome izao fampitandremana izao i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.” Toy ny azo amantarana ny hazo tsara sy ratsy amin’ny voany, hoy ny nasain’i Jesosy nomarihina, dia toy izany koa no azo amantarana ireo mpaminany sandoka amin’ny alalan’ny fitondrantenan’izy ireo sy ny fampianarany.

Nanohy ny lahateniny i Jesosy ka nanazava fa tsy amin’izay lazainy ihany no isehoan’ny olona iray ho mpianany, fa amin’izay ataony koa. Na dia mihambo ho manana an’i Jesosy ho Tompo aza ny sasany, raha tsy manao ny sitrapon’ny Rainy izy ireny, dia nanantitrantitra toy izao Kristy: “Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.”

Farany, dia notononin’i Jesosy ny famaranana malaza ny toriteniny. Hoy ny nambarany: “Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy.” Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy.”

Tetsy an-daniny koa, dia nilaza mazava toy izao i Jesosy: “Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.”

Rehefa vitan’i Jesosy ny toriteniny, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany, satria izy nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana, fa tsy tahaka ireo filoha ara-pivavahany. Matio 7:1-29; Lioka 6:27-49.

◆ Inona no nolazain’i Jesosy raha ny amin’ny fitsarana ny hafa, nefa ahoana no nampisehoany fa tokony haneho fahaiza-manavaka amin’ny olona ireo mpianany?

◆ Inona no ambaran’i Jesosy eo aoriana ny amin’ny vavaka, ary fitsipi-pitondrantena inona no nomeny?

◆ Ahoana no nampihariharian’i Jesosy fa tsy mora arahina akory ny lalan’ny fiainana ary mety ho diso lalana ny tena?

◆ Inona no famaranan-teny namitan’i Jesosy ny toriteniny, ary inona no vokatr’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara