Teny fiderana — kanefa nahoana no niova hevitra?
TAMIN’NY NOVAMBRA 1985, tamin’ny fivoriamben’ny eveka italiana natao tany Bologne, any Italia, dia namely ny Vavolombelon’i Jehovah ny Eglizy katolika. Tao amin’ny lahateny iray araka ny foto-kevitra hoe “Kristy Andriamanitsika sy Fanantenantsika: ireo kristiana manoloana ny Vavolombelon’i Jehovah”, ilay pretra atao hoe Giovanni Marinelli dia niampanga ny Vavolombelona ho “loza ho an’ny fivavahana sy ny vahoaka”. Koa satria mitombo haingana ny isan’ny Vavolombelona any Italia, ka katolika maro no tonga anisan’izy ireo, io pretra io dia niampanga azy ireo ho ‘poizin’areti-mifindra mamely indrindra ireo mora voa kokoa’.
Nahazo baiko hanohitra amim-paharisihana ny Vavolombelona ireo diosezy sy paroasy katolika. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny famoronana isan-tanàna, antokon’olona izay “hihevitra” ny asan’ny Vavolombelona noho ny fikendrena ny “hampihiratra ny mason’ny mpiangona”.
Re ve izany antso hanohitra ny Vavolombelona izany? Toa tsy izany. Tao amin’ny taratasy iray navoakan’ny “Bulletin paroissial” any Piario, dia nanoratra toy izao ny pretra iray: “Raha ny tenako manokana, dia tiako tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah; miaiky izany amim-pahatsorana aho. Manana fahafahana tanteraka daholo ianareo hihevitra zavatra hafa noho izany, ary angamba aza hanongana ahy. (...) Ireo izay fantatro dia manana fomba tsy azo tsinina, miteny amim-pahalemem-panahy (...) [ary] mahay mampiaiky tokoa. Rahoviana no ho takatsika fa tokony haseho amin’ny fomba azo ekena ny fahamarinana? Aoka ireo izay mampahafantatra ny fahamarinana tsy ho be fisalasalana, mamofona, misarita-bolo sy ratsy fitafiana?
“Afa-tsy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tonga mitsidika anao ao an-tranonao. Ao an-tranonao ianao dia tsy misy manembatsembana, ka izany dia manome tombontsoa anao. (...) Afaka maka ny Baibolinao ianao (...) ao amin’ny fitehirizam-bokinao ary afaka manamarina ny andininy tononina, mahazo ny tena heviny, ets.
“Ary hanampy teny koa aho, raha afaka manao izany, fa ny tena mahafinaritra ahy, dia satria ny Vavolombelon’i Jehovah mahatsiaro manokana ho ‘voantso’ (...) ho amin’ny fitoriana ny teny. Adidy nohadinointsika hatramin’ny ela izany, ka niteraka fahavoazana tsy hay tombanana ho an’ny asantsika fampielezana ny filazantsara. ‘Hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?’ Amiko dia toa ‘feno’ ny Vavolombelon’i Jehovah: tsy amin’izay mahakasika ny tokantrano, ny asa sy ny fialam-boly ihany, fa amin’ny lafin’ny fianarana manokana ny zavatra inoan’izy ireo koa sy amin’ny fomba anampiany ny hafa handray izany. Ary ny tena ‘nahafaty’ ahy, dia tao amin’ireo fandevenan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy misy azo ampitahana izany mihitsy amin’ireo fomba fandevenantsika katolika izay ny hany mangina hatrany dia ilay maty ary izay tsy ahitana olona mihitsy mitana Baiboly mba hanarahana ny famakian-teny ampahibemaso. (...) Endrey izany fahazavana! Vavaka re izany! Finoana re izany! Fahatoniana re izany! Iza no mahalala raha ho afaka hahatohitra ny hanampy amin’ny fara hafatro aho hoe: ‘Fandevenan’ny Vavolombelon’i Jehovah no tiako.’ Iza no mahalala!
“Tena mety amin’ny fotoana ny fampidiran-dresak’izy ireo. Angamba satria koa aho tsy faly, tsy afa-po, hany ka takatro ny fiampangan’izy ireo ankarihary. Milaza izy ireo hoe: ‘Feno herisetra sy faharatsiam-pitondrantena izao tontolo izao iainantsika.’ Tianareo ve ny hanaporofo fa diso ny voalazan’izy ireo? Tsy mba izaho izany. (...) ‘Ny Eglizy katolika izay anankiray amin’ireo fivavahana be mpanaraka indrindra sy tranainy indrindra, no tompon’andraikitra voalohany indrindra amin’izany faharatsiana izany.’ Hanandra-peo ve ianareo mba hilaza ny mifanohitra amin’izany? Tsy hanao izany aho. Olona mahafinaritra, mahalala fomba, (...) be fandavan-tena, izy ireny. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana herim-po omen’ny fandrindran-kevitra azy. Mamarana ny teniny izy ireo amin’ny filazana hoe: ‘Ilaozy ny Fiangonanareo ka miaraha aminay.’
“Miaiky aho fa hahavaky fo ahy ny hiala amin’ny fivavahana fantatro hatramin’ny mbola vao ninono aho, ka hanaraka vaovao hafa. Kanefa raha fahendrena ny hanaovana izany dingana izany, nahoana no tsy hatao? Rehefa eritreretina, dia tsy mampietry velively ny miova fivavahana (...). Hampietry ny handao fivavahana iray mba tsy hahita afa-tsy zavatra foana, ny hanala ny vatofantsika mba haharendrika. Ahoana anefa raha mieritreritra aho fa fotsy ny lambako satria fotsiny ny anareo ihany no hitako? Hitako ho araka ny fandrindran-kevitra ny hifidianana fanasan-damba manafotsy kokoa ny fotsy. Tokana ihany ny zava-kendren’ny misionera: manova ny olona (...). Nahoana aho no tsy hiova finoana raha manoro hevitra ahy hanao toy izany ny fieritreretako? Raha mampiaiky ahy ny amin’izany ny mpitory teny? Raha fahendrena ny hanaovana izany? Raha marina kokoa ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah (...), dia (...) hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. (...) Tiako ny hahafantatra raha manana ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Teo am-pifaranan’ny taratasiny, raha nanipika io pretra io fa hoe Jehovah fa tsy Iaveh no fanononan’ny Vavolombelona ny anaran’Andriamanitra, dia izao no nosoratany: Amiko izany dia tsy antony tokony hanariako ny fiombonako hevitra lehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah”. Nahoana? “Rehefa dinihina, hoy ny teny nanampiny, dia Vavolombelon’Andriamanitra izy ireny, ary izany no zava-dehibe.”
Fanampin-teny: Toa niteraka fihetsiketsehana tao amin’ny ambaratongam-pahefana katolika ambony io taratasy io. Tao amin’ny nomerao hafa iray amin’ilay “bulletin paroissial”, dia niova hevitra io pretra io ny amin’izay nolazainy momba ny Vavolombelon’i Jehovah.