FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/1 p. 32
  • Ireo soa raisina amin’ny sary ahitana fianarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo soa raisina amin’ny sary ahitana fianarana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/1 p. 32

Ireo soa raisina amin’ny sary ahitana fianarana

Matetika no mandaitra kokoa noho ny teny ireo sary izay mampiasa ny maso rehefa hoe hampianatra hevitra lehibe. Ny renim-pianakaviana iray dia manazava ny fomba nitondran’ny sary fampaherezana ho azy:

“Ankamamiko indrindra ny vidin’ireo sary voarakitra ao amin’ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, satria mivantana amin’ny zava-kendrena izany.

“Tamin’ny alahady teo anefa aho vao nahatsapa tamin’ny fomba feno ireo harena maro atolony; rehefa nisy voina nahazo ny anankiray tamin’ny mpianakavinay. Tapa-tanana ny zanakay lahy kely indrindra, dia Aaron, ary nanambara taminay ny mpitsabo fa nilaina ny fanatoranana tanteraka mba hahafahana mampihena ny tapaka. Rehefa nentina ilay zanakay lahy, dia nidobodoboka ny foko. Hitako ho lava ny fotoana, ary nitombo ny fitebitebeko.

“Tamin’izay no tsaroako ilay sary ao amin’ny pejy faha-100, ao amin’ny toko faharaika ambin’ny folo. Sahalahala amin’izao ny fanazavana ao akaikin’ny sary: ‘Havelan’ny reny iray hanaovana fandidiana sarotra ny zanany; toy izany koa, Andriamanitra dia manana antony tsara amelana ny olona hijaly vetivety.’ Navadibadiko tao an-tsaiko io hevitra io, hany ka niorina tao amiko ny fiadanan’Andriamanitra, ary afaka nitana ny fahatoniako sy ny fifehezan-tenako aho.”

Hita ao amin’io boky tsara dia tsara io ny sary 150 ahitana fianarana tokoa, ka ny ankamaroany dia miloko mahafinaritra. Mba hahazoana azy io dia ampy ny mameno sy mandefa ny tapakila eto ambany.

Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky 256 pejy mitondra ny lohateny hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara