Naniry hahazo anankiray tamin’io ny mpampianatra azy
Izany no notantarain’ny tanora iray taorian’ny nitondrany tany an-tsekoly ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Nanazava toy izao izy:
“Nentiko tany am-pianarana ny bokiko vaovao. Nilaza tamin’ny mpampianatra ahy aho fa niriko handray soa tamin’izany ny iray kilasy. Novakiny haingana àry ilay izy ka hitany fa nahaliana aoka izany, hany ka nanapaka ireo mpianatra tamin’ny asany izy mba hampahafantatra azy ireo izay hitany. Ny ampitso, dia nanontany ahy izy raha afaka hahazo boky iray. Ary ny tolakandron’iny ihany, taorian’ny fianarana, dia nametraka anankiray ho azy aho. Ankamaminy tokoa izy io.”
Matoky izahay fa ho tianareo koa io boky mahavariana 256 pejy, feno sary mahafinaritra, io. Mba hahazoana izany, dia ampy ny mameno sy mandefa ny tapakila eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?.