FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/11 p. 32
  • Ahoana no hanitsianareo ireo zanakareo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no hanitsianareo ireo zanakareo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/11 p. 32

Ahoana no hanitsianareo ireo zanakareo?

NY ANKAMAROAN’NY ray aman-dreny dia hiaiky fa tsy zavatra mora akory izany. Porofon’izany ireto izay manan-janaka folo sy fito taona ka mitantara ny fomba nanampian’ny boky Ecoutez le grand Enseignant sy Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti azy ireo be dia be.

“Rehefa ilaina ny manitsy ireo zanakay, hoy izy ireo, dia miresaka amin’izy ireo izahay noho ny fikendrena ny hamantatra izay tsy mety; angamba izy ireo tsy ampy fifankatiavana, ohatra, na fanajana anay ray aman-dreniny. Amin’izay dia irahinay izy ireo samy hamaky avy ao amin’ny efitranony, toko iray mifanandrify amin’ilay tarehin-javatra, nalaina avy tao amin’ny anankiray amin’ireo boky roa ireo. Omenay ho adidiny koa ny fitadiavana andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Masina sy ny famakiana izany.”

Inona no vokatra azon’ireo ray aman-dreny ireo? “Rehefa mivoaka avy ao amin’ny efitranony izy ireo mba hilaza aminay fa vita ary vonona ny hijery indray ilay toko sy ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly miaraka amin’i Dada na i Neny izy ireo, dia lehibe tokoa ny fiovana.” Ny amin’ilay zanak’izy ireo vavy kely fito taona nanana toetra niavaka tokoa, dia izao no nambaran’izy ireo: “Na dia migadongadon-tongotra amim-pahatezerana aza izy rehefa ho any amin’ny efitranony, rehefa miverina izy dia milaza amim-pitsikiana hoe: ‘Tsapako fa diso aho. Mamelà ahy!’ ”

Raha manana zanaka koa ianao na mahalala olona mahita fahasahiranana amin’ny fifehezana ny azy, nahoana no tsy manao izay hahazoana ireo boky roa ireo, tsy lafo vidy akory anefa? Tena afaka mitondra fanampiana sarobidy ho anao izany eo amin’ny fanabeazana ireo zanakareo.

Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ireo boky roa 192 pejy hoe Ecoutez le grand Enseignant sy Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara