Ny fananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty: tsy angano akory
NETY ho notefitefena fotsiny ve ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty? Ny International Herald Tribune dia namoaka vao haingana, tatitra momba ny fandinihana nataon’ny mpanoratra jiosy iray natao hoe Pinchas Lapide. Inona no fanatsoahan-kevitra nataony? Izao: tsy angano akory ny fananganana amin’ny maty.
Zavatra maromaro no nitarika an’Atoa Lapide hanatsoaka hevitra toy izany. Voalohany indrindra, ny fitantaran’ireo Filazantsara dia milaza fa vehivavy telo no nankany amin’ny fasan’i Jesosy ka nahita azy foana. Fahizay anefa, hoy ny fanazavan’ilay tatitra tao amin’ny gazety Tribune, ny vehivavy dia “noheverina ho tsy nahay nanome fanambarana ara-dalàna”. Na dia ireo mpianatr’i Jesosy tokoa aza dia tsy nino ireo vehivavy ireo. Tsy azo inoana tanteraka àry ny hoe niniana noforonina ny tantara toy izany.
Notononin’Atoa Lapide koa ny vokatra namelombelona nentin’ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny maty teo amin’ireo mpianany. Ilay antokon’olona saro-tahotra tonga hatramin’ny fandaozana ny Tompony fony izy nosamborina, dia “niova vetivety ho fikambanana misionera feno toky, nino mafy fa nitondra ny famonjena”. Raha nivaofy ny fiheveran’i Lapide ny gazety Tribune, dia nanambara toy izao: “Tsy misy mihitsy fahitana na fahitan-javatra tsy misy, ampy hanazava ny fiovana mahatalanjona toy izany.”
Farany, dia tao koa ny fiampangana nilazana fa hoe nangalarin’ny mpianatr’i Jesosy fotsiny ny fatiny. Nolavin’i Lapide toy izao izany: “Moa ve misy mpangalatra mety hanaiky hampijalina sy henjehina noho ny nofinofy fotsiny ka ho lasa hatramin’ny fiaretana amim-pifaliana ny famonoana ho faty maritiora?” Na dia tsy mino an’i Jesosy ho Mesia aza i Lapide, dia tsy mampisalasala azy loatra fa nilaza ny marina ny anjely iray, roa arivo taona lasa izay, raha nanambara hoe: ‘Natsangana Kristy.’ — Matio 28:6.