Fanamparam-pahefana iaraha-mahalala amin’izao androntsika izao
TAO amin’ny lalàna nomeny ny Isiraelita tamin’ny alalan’i Mosesy, ny Mpamorona dia nanameloka mafy an’ireo mpitsara nandray kolikoly (Eksodosy 23:8; Deoteronomia 10:17; 16:19). Ankamamintsika ny maha-feno fahendrena ireo toromarika ireo rehefa heverintsika ny hita amin’ny mpanao raharaham-panjakana sasany izay nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany tamin’izao androntsika izao.
Aoka hotononintsika aloha Martin Manton mpitsara. Tamin’ny 1918, tany Etazonia, dia niezaka izy hanao izay tsy hahombiazan’ny Mpianatra ny Baiboly — anarana nahafantarana tamin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah — izay nanandrana nanao izay hahazoana fahafahana ho an’i Joseph Rutherford sy ny fito tamin’ireo namany. Ireo minisitra kristiana valo ireo dia nampangaina ho manakivy amin’ny fiezahana hiady ary nalefa tany amin’ny tranomaizin’i Atlanta. Ny fitsarana ambony voatendry hihaino io raharaha io dia voaforon’ny mpitsara telo, anisan’izany i Manton. Na dia tao aza ny fanoheran’io tamin’ny latsa-bato, dia nanambara ireo mpitsara roa hafa fa azo raisina ny fangatahana fitsarana ambony, ary dia nahitsy ny fanapahan-kevitra voalohany.
Mpitsara nanao ahoana moa i Manton? Ny gazety dia nilaza azy ho “ny mpitsara ambony indrindra [tany Etazonia] taorian’ireo mpitsara sivy tao amin’ny Fitsarana tampony”. Izy koa no anankiray tamin’ireo lahika nohajaina indrindra tany Amerika, ka ny papa dia nanao azy ho “chevalier de l’ordre de Saint-Grégoire le Grand”. Tonga ny fahaverezany rehefa fantatra izy fa meloka ary nomelohina roa taona an-tranomaizina sy handoa sazy 10000 dôlara. Meloka ho nanao inona moa izy? Ho nandray tombontsoa ara-bola tamin’ny didim-pitsarana nataony. Ary noho ny fahasahisahian-dratsiny, dia vitany hatramin’ny fampandoavam-bola an’ireo niseho teo anatrehany mba hanafenana ny ratsy nataon’izy ireny, ka nandrahona ny hanao izay hahameloka azy tamin’ny fitsarana raha tsy nanome vola be azy izy ireo. Izao no nolazain’ny New York Times ny aminy: “avy ao amin’ny fitsarana federaly no nivoahan’ny fampandoavam-bola olona amin’ny fampitahorana sao haseho ny ratsy nataony.” Fanamparam-pahefana ara-pitsarana re izany!
Taona maro taty aoriana, dia nipoaka nibaribary ny raharaha hafa iray koa. Tafiditra tamin’izany i Spiro Agnew, lefitry ny prezidàn’i Etazonia tamin’ny 1969 ka hatramin’ny 1973. Nampangaina ho nangalatra an’arivony dôlara maromaro tamin’ny fanjakana izy, ka nametra-pialana. Tamin’ny 1983 izy dia mbola nandoa ho an’ny fanjakan’i Maryland, 250 000 dôlara mahery [10 750 000 ariary] noho ny fandraisany kolikoly.
Avy eo dia tao i Richard Nixon, izay nifidy an’i Agnew ho prezidà lefitra. Ny fandinihan-draharahan’ny antenimieran-doholona niandraikitra ny raharaha Watergate dia nanoro hevitra mba hiampangana azy noho ny antony telo: fanamparam-pahefana tamin’ny asan’ny prezidà, fanakantsakanana ny rariny, fandavana tsy hiseho imbetsaka rehefa nantsoina teo anatrehan’ny fitsarana. Azo inoana fa fantatrareo fa nametra-pialana izy ny 9 aogositra 1974, roa taona sy tapany talohan’ny hahataperan’ny fotoana nanendrena azy.
Mahita izany karazam-panamparam-pahefana izany izao tontolo izao manontolo. Ohatra, ny revio kanadiana Maclean’s dia nitantara, tao amin’ny nomeraony tamin’ny 15 jolay 1985, ny amin’ny “filalaovan-dratsy nihoapampana tao amin’ny Parliament Hill (...) sy ny amin’ny fandraisana kolikoly”. Nanampy teny io boky io fa tamin’ny fanasana iray, ny filohan’ny mpiasa nalaza tao amin’ny minisitera iray dia nanambara toy izao tamin’ny vehivavy iray 30 taona: “Raha tsy manala akanjo ianao, dia tsy hahita asa.”
Tokony ho tamin’izany fotoana izany ihany koa, ny revio iraisam-pirenena iray dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Mampiadana ny fanarenana an’i Shina ny fandraisana kolikoly”. Izao no azo novakina tao: “Tato ho ato, saika isan’andro ny filazam-baovao ofisialy dia mitantara fangalaram-bola, ka ny sasany dia nahatafiditra mpanao raharaham-panjakana ambony.”
Vao haingana kokoa, ny New Zealand Herald, eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny loza ateraky ny fandraisana kolikoly — fandrahonana lehibe ho an’ny ‘tanin’ny vintana’ ”, dia nanambara ny hevitry ny mpitsara taloha iray: “Aostralia, amin’izao antenatenan’ireo taona 1980 izao, dia manankarena, matoky tena sy tia kolikoly.” Noresahin’ilay lahatsoratra ny zava-manahirana ny amin’ny ‘fandaharana ara-pitsarana izay ny anankiray tamin’ny solontenany dia nampidirina an-tranomaizina tao anatin’ny taona teo aloha, ary izay saika isan’andro isan’andro dia nahazo porofo manaitra manamarina ny fandraisan’ny polisy kolikoly’.
Miharihary fa ireo izay manampatra toy izany ny fahefany dia tsy miraharaha mihitsy ny fotopoto-pitsipika nambaran’i Kristy hoe: “Tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.” — Matio 10:26.