Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Firaisam-pirazanana any Afrika Atsimo!
IMBALI dia faribohitry ny mainty hoditra, any ambanivohitr’i Pietermaritzburg, any Natal, atsy Afrika Atsimo. Rehefa nahazo tany ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa any Imbali, ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’ny fotsy hoditra sy metisy tany Pietermaritzburg dia nivory avy hatrany mba hieritreritra ny amin’ny fomba hahafahany hanampy ireo rahalahiny mainty hoditra hanorina Efitrano Fanjakana iray ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy. Na dia naharitra sivy volana feno aza ny nisian’ny fanorenana, dia 48 andro monja no tena niasana mba hamitana ny fanorenana, tamin’ny fiasana saika isaky ny asabotsy ihany.
Ho an’ny mponina tany Imbali, ny fanorenana an’io Efitrano Fanjakana io dia nanaporofo zavatra ho noheveriny ho tsy azo atao. Alao sary an-tsaina ny tanàna feno Vavolombelona fotsy hoditra, metisy sy indiana tonga am-polony maro avy any Pietermaritzburg sy Durban mba hiara-hiasa tamim-piraisan-kina tamin’ireo namany avy ao amin’ny kongregasionan’ny mainty hoditra (jereo Zefania 3:9)! Samy nanan-draharaha hatao na ny lehilahy na ny vehivavy na ny ankizy, ka nifanolotra fitaovana sy fiasana; niray latabatra izy ireo rehefa nisakafo. Hafahafa ny firaisam-pirazanana toy izany ao amin’ny tanàna iray any Afrika Atsimo, indrindra fa amin’ny fotoam-pikorontanana! Raha ny marina, izany dia mampiseho tsy azo lavina fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia vahoaka tafaray izay tena mifampiahy tokoa ny mpikambana ao aminy.
Momba izany firaisan-tsaina izany, dia nanao izao resadresaka izao ny olona iray teny akaiky: “Talanjona izahay nahita Fotsy hoditra, Mainty hoditra, metisy sy Indiana niara-niasa tamim-pifanarahana toy izany. Tsy hitanay ao amin’ireo fiangonanay izany fitiavana fiaraha-miasa izany.” Ny ben’ny tanàna tao Imbali, Atoa Pakkies, izay nanatrika ny fitokanana ny efitrano tamin’ny 10 novambra 1985, dia naneho ny fahagagany teo anoloan’ny firaisan-tsaina sy ny fahavononana nanatontosan’ny Vavolombelona irery io raharaha io. Tamin’ny teny vitsivitsy, dia nampahatsiahiviny izay nahatonga ho afaka hahavita zavatra toy izany: “Ny fitiavana ihany no afaka manao izao”, hoy ny nambarany. Inona no marina kokoa noho izany! Moa ve ny tenan’i Jesosy koa tsy nilaza hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.
Koa satria manatona manao dingan-dava ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Afrika Atsimo ny ilàna hanorina ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy, Efitrano Fanjakana ao amin’ireo toeran’ny mainty hoditra. Ny Efitrano Fanjakana voalohany tany Soweto dia nitokanana tamin’ny febroary 1985. Misy maromaro hafa koa eo am-panorenana. Ny faritany ho an’ny mainty hoditra dia ahitana kongregasiona 700 izay ny 70 aminy eo ho eo dia afaka mampiasa efitrano fivoriana an’ny tenany ihany. Mbola be dia be àry no ilaina. Ny efitranon’i Imbali dia hanampy amin’izany zavatra ilaina izany. Izy io dia efitrano ary fomba misy toerana mipetraka 400 andraisan’ny Vavolombelona ny sakafo ara-panahy iankinan’ny aina aroso ao. Ao amin’ny toerana toy izany tokoa izay ampianarana ny Baiboly, ireo sakaizan’ny fahamarinana dia mianatra hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahan’izy ireny ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny mba hahazoana ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, izay hahaforonan’ny firazanan’olombelona rehetra fianakaviana tafaray ho mandrakizay!