Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Tao anatin’ny sivy andro monja!
“MANAITRA NY SAINA!” Io teny io fotsiny no lohatenin’ny lahatsoratra lehibe iray nivoaka ny 14 aogositra 1985 tao amin’ny gazety iray any amin’ny nosy Vancouver, any Kanada. Io lahatsoratra io dia nanazava ny fomba nanorenana tao anatin’ny sivy andro monja ny Efitrano fanaovana fivoriambe iray 2 300 m2.
Tao anatin’ireo folo taona farany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahita fomba fanorenana haingana Efitrano Fanjakana. Ary ny Efitrano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny nosy Vancouver izao no trano faharoa naorina tamin’izany fomba izany tany Kanada mba hanaovana indrindra ireo fihaonambe isaky ny enimbolana fanaon’ny fitambarana kongregasiona maromaro amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Ny efitrano tena vaovao dia mitsangana eo amin’ny tany 3 hektara any Cassidy, any Kolombia britanika. Hazo lehibe tsy mihintsan-dravina no mamefy mahafinaritra azy ao andamosina, ary mamakivaky ilay toerana ao ambadiky ny trano ny sakeli-drano kanto iray. Io trano io dia voaforon’ny efitrano iray misy toerana 900, ny fisakafoana mahalany olona 250, toerana fialana hetaheta, dobon-drano kely voarakotra taila hanaovana batisa sy Efitrano Fanjakana iray mahalany olona 200 hampiasain’ireo kongregasiona eo an-toerana. Na dia ireo izay nandray anjara tamin’ny fanorenana an’io trano io aza dia milaza fa sarotra ny mino hoe natsangana sy vita tao anatin’ny sivy andro izy io.
Mazava ho azy fa talohan’ireo sivy andro nanorenana ireo, dia nisy asa fanomanana lehibe mialoha natao. Noravana ilay trano efa nisy teo amin’io toerana io ary nalaina ny fitaovana sasany, izany rehetra izany dia tao anatin’ny orana nivatravatra. Nisetra ny andro manorana sy mangatsiaka amin’ny oktobra ireo mpiasa an-tsitrapo, ka lasa nitady hazo mba hanaovana tafontrano, hazo fisaka notsofana tao amin’ny sedera mena any Andrefana. Nilaina ny nanangana planin’ny fanorenana samihafa: fidiovana sy fivoahana, fanafanàna, rivotra araka ny antonony, herimbaratra, ets. Nilaina ny hanamboarana ny tany sy hanaovana gorodona “béton” 2 300 m2 ... ankoatra ny zavatra hafa.
Na dia tao aza izany, dia vonona daholo ny zavatra rehetra tamin’ny farany. Ny asabotsy 3 aogositra, tamin’ny valo ora maraina, rehefa avy nandinika teny ao amin’ny Baiboly ireo mpiasa an-tsitrapo dia nanodidina ny gorodona “béton”, nitana maritoa teny an-tanany. “Lasa, ry rahalahy a”, hoy ny antso tao amin’ny fanamafisam-peo. Maritoa maro be no nanakoako teo amin’ny fantsika rehefa nanomboka niasa ireo mpilatsaka an-tsitrapo teo amin’ny 4 500. Maro be tamin’izy ireny no nifindra toerana avy tany Etazonia niaraka tamin’ny ankohonany, ary ny hafa avy lavitra toy ny any Terre-Neuve, Norvège sy Angletera. Nisy olona teny amin’ny manodidina tia fiaraha-miasa, nampindrana ny sahany mba hitobian’ireo mpiasa sy hametrahany ny fiarakodiany; ireo lay, ireo “caravanes”, ireo kamiao sy ireo fiarakodia dia naka toerana 14 hektara nanodidina ny toeram-panorenana.
Talanjona aoka izany ny mpijery. Ny mpianto-draharaha iray dia nitondra ireo mpiasany teny amin’ny toerana mba handinihan’izy ireo ny asa natao sy handraisany soa amin’ny rivo-piainana nanjaka tao. Nisy olona tsara fanahy teny amin’ny manodidina nanome anambazaha ho amin’ny fahandroan-tsakafo izay nanomana sakafo tsy tapaka ho an’ireo mpiasa. Nisy olona hafa koa teny amin’ny manodidina nanampy tamin’ny asa ara-bakiteny. Rehefa avy nitsidika ny toeram-panorenana ny lehilahy iray dia nanambara hoe: “Azoko antoka izao fa miaraka amintsika Andriamanitra.” Mandroso tsara izao io lehilahy io amin’ny fianarana ny Baiboly natombony niaraka tamin’ny Vavolombelona.
Tao amin’ny lahatsoratra lehibe amin’ny gazety iray, ny Ladysmith-Chemainus Chronicle, dia azo natao ny namaky izao fanazavana izao: “Na inona na inona zavatra inoanao ara-pivavahana, ary na dia tsy manana izany aza ianao, dia afaka midera ireo Vavolombelon’i Jehovah 4 500 tonga miasa tsy ankijanona mandritra ny herinandro sy tapany mba hanorina Efitrano fanaovana fivoriambe 2 300 m2 eto Cassidy ianao. (...) Ny fifaliana, ny firaisan-tsaina, ny fifanarahana tsara sy ny fanetren-tena niharihary teo amin’io toeram-panorenana io dia samy mariky ny tena kristianisma.”
Ny alahady 11 aogositra, tamin’ny 6 ora hariva, dia natao tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe iray vita ny fivoriana voalohany, ka na dia ireo toeran’ny saha sy zaridaina aza dia namboarina!