Fandehanana mahavariana
Nahatsapa ho nanao izany ny vehivavy iray rehefa namaky ilay boky tsara tarehy feno sary hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. “Arakaraka ny nandrosoako tamin’ny famakiako teny, hoy ny nosoratany, dia toy ny ‘nitsangantsangana’ aho isaky ny pejy. Fandehanana nahavariana re izany! (...)
“Nifanara-kevitra izahay mivady mba hilaza fa tsy boky tsotra iray fotsiny akory io. “Encyclopédie” (boky milaza ny ankabeazan’izao zavatra rehetra izao) izy io! Efa mifanditra sahady ireo zanakay mba hahalalana hoe iza no hamaky azy amin’ny manaraka. Tsy maintsy manao izay hahazoana hafa aminy izahay!
“Raha lazaina amim-pahatsorana, ireo fanaporofoan-kevitra tsara dia tsara anohanan’io boky fianarana io ny famoronana, dia velabelarina amin’ny fomba mifandrindra aoka izany sy mazava aoka izany, hany ka miharihary. Mampiaiky sy mahery io boky io manomboka amin’ny pejy voalohany ka hatramin’ny farany.”
Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoana io boky be velarana 256 pejy io, dia fenoy sy avereno ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Lolo, vontsira, sahona: U.S. Fish & Wildlife Service;
vorona: National Zoological Park, Washington, DC