Ny fikororosiana ara-pitondrantena: famantarana mampiharihary zavatra
ARAKA ny filazan’ireo sosiology, ny fikororosiana ara-pitondrantena tsy mbola nisy toy izany atrehintsika amin’izao andro izao dia avy amin’ny antony samihafa. Kanefa, ny mpivaofy teny iray tamin’ny taonjato faha-19 atao hoe Geikie Cunninghan, dia nanondro, tamin’ny fomba marina mahagaga, ny zavatra naorina tompon’andraikitra amin’izany. Nasainy nomarihina tamim-pahiratan-tsaina fa “ny karazam-pivavahana arahin’ny olona iray dia famantarana tsy miova ny fahasalamany sy ny tanjany”. Zavatra mahaliana fa ny Baiboly masina dia milazalaza ny amin’ireo fivavahan-diso amin’ny endriky ny vehivavy janga mitondra eo amin’ny handriny, anarana mahatonga ho afaka hamantatra azy, dia ny hoe “Babylona Lehibe”, izay mitana eny an-tanany kapoaka volamena feno zavatra maharikoriko sy fahalotoana noho ny fijangajangany. Miharihary tokoa fa ny fahalotoam-pitondrantena mamoafady sy ny fahasiahana mahatsiravina manamarika ny androntsika dia famantarana mampiharihary ny toetoetry ny fivavahan-diso nanam-piandohana babyloniana arahina amin’izao andro izao. — Apokalypsy 17:1, 2, 4, 5, 15.