Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany
TAO amin’ny nomerao teo aloha amin’ity gazety ity, dia noresahinay ny amin’ny andro feno tsara lanin’i Jesosy tany Kapernaomy niaraka tamin’ireo mpianany efatra. Voalohany indrindra, tao amin’ny synagoga izy dia namoaka demonian’ny lehilahy iray azony; rehefa avy eo, tao an-tranon’i Petera izy dia nanasitrana ny rafozambavin’io; ary farany, rehefa tonga ny hariva, ny mponina tao Kapernaomy dia nitondra teo aminy ny marary rehetra mba hanasitranany azy. Tsy nanam-potoana hitokanan-toerana àry i Jesosy.
Ny ampitso vao maraina be i Jesosy dia nifoha ary lasa nivoaka raha mbola maizina ny andro. Nankany amin’ny toerana mitokana izay nahafahany nivavaka tamin’ny Rainy manokana izy. Tsy nijanona irery ela be anefa izy; rehefa tsapan’i Petera mbamin’ny olon-kafa koa fa lasa izy, dia lasa nikaroka azy izy ireo.
Rehefa nahita an’i Jesosy izy ireo, dia hoy i Petera taminy: “Ny olona rehetra mitady Anao.” Tian’ireo mponina tany Kapernaomy hitoetra hiaraka amin’izy ireo i Jesosy. Nankamamin’izy ireo izay nataony ho azy ireo. Kanefa moa ve ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany dia mba hanao fanasitranana mahagaga fotsiny? Inona no ambarany ny amin’izany?
Araka ny voalazan’ny anankiray amin’ireo Filazantsara, dia izao no navaliny an’ireo mpianany: “Andeha isika hiala hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izany no nahatongavako.” Na dia rehefa nanantitrantitra aza ny vahoaka mba hijanonany, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.”
Eny, tonga teto an-tany indrindra i Jesosy mba hitory ilay Fanjakana izay hanamarina ny anaran’ny Rainy sy hanafoana amin’ny fomba raikitra ny loza rehetra mitambesatra amin’ny olombelona. Kanefa, mba hanaporofoana fa nirahin’Andriamanitra izy, dia nanao fanasitranana mahagaga izy. Taonjato maro talohan’izay, Mosesy koa dia nanao fahagagana mba hanamarinana fa mpanompon’Andriamanitra izy.
Tamin’io indray mandeha io, rehefa nandao an’i Kapernaomy i Jesosy mba hitory tany amin’ny tanàna hafa, ireo mpianany efatra, izany hoe Petera sy Andrea rahalahiny mbamin’i Jaona sy Jakoba rahalahiny, dia niaraka taminy. Tsy isalasalana fa tsapanao fa tamin’ny herinandro talohan’io i Jesosy dia nanasa azy ireo mba ho mpiara-miasa aminy voalohany sy mpiray dia aminy.
Niaraka tamin’ireo mpianany efatra, Jesosy dia nitory hatraiza hatraiza tany Galilia. Fahombiazana nanakoako izany! Raha ny marina, ny resaka ny amin’ny asany dia niely nanerana an’i Syria aza. Nisy vahoaka betsaka avy any Galilia sy Jodia sy avy any ampitan’i Jordana nanaraka an’i Jesosy sy ireo mpianany. Marka 1:35-39; Lioka 4:42, 43; Matio 4:23-25; Eksodosy 4:1-9, 30, 31.
◆ Inona no nataon’i Jesosy vao maraina be, taorian’ny nandaniana andro iray feno tsara tany Kapernaomy?
◆ Nahoana moa i Jesosy no tonga teto an-tany, ary inona no zavatra nokendrena tamin’ny fahagagana nataony?
◆ Iza no niaraka tamin’i Jesosy fony izy nitory nanerana an’i Galilia, ary niteraka inona io asa io?