Ireo mpanolo-tsaina ara-panambadiana tsara indrindra
“Oay! Tena tokony hovidinao sy hovakinao ireo gazety ireo!” hoy ny fihiakan’ilay mpifanila trano nanapaka ny resaka. “Fantatrao ve ny antony aniriako hamakiany ireo?”, hoy izy nanontany ilay vehivavy nanolotra ny gazety. “Noho ny zavatra nosoratanareo dia miara-miaina amin’ny vadiko indray aho. Nandao azy aho ary nijanona herintaona sy tapany tany an-tranon’ny reniko. Nandalo ny anankiray tamin’ireo namanareo ka nametraka zavatra vita an-tsoratra izay novakiko taty aoriana. Io famakian-teny io dia nampanapa-kevitra ahy hiverina tany amin’ny vadiko. Manohy mamaky ireo zavatra soratanareo aho, ary ankehitriny dia sambatra aho ao anatin’ny tokantranoko.” Nanaraka izany torohevitra izany ilay vehivavy tompon-trano ka nandray an-tsitrapo ireo gazety.
Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! dia mirakitra tsy tapaka torohevitra mifototra amin’ny Baiboly izay manampy handamina ireo zava-manahirana ara-panambadiana. Haharay nomerao efatra isam-bolana ianao raha mandoa 13 400 FMG mba handraisana (amin’ny fiaramanidina) ireo gazety roa ireo mandritra ny herintaona.
Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! aho. Ampiarahiko amin’ity ny vola 13 400 FMG mba hahazoana nomerao 48.