Aoka isika hiaritra ireo fitsapana toa tsy ho zakan’olombelona
Izany ve no ataonao?
Olona be dia be no mahavita izany. Ny manampy azy ireny dia ny fahafantarana ny fomba nahazakan’ny hafa ny fisedrana azy. Ny vehivavy kristiana iray any Bettendorf, any Etazonia, dia nanoratra taminay fa mampiasa ireo zava-nitranga tantaraina ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah izy mba hampaherezana ireo olona miara-mianatra ny Baiboly aminy. Amin’izany fomba izany no “anampiany azy ireny hahatakatra fa ‘manjo ny rahalahy rehetra eran’izao tontolo izao izany zavatra izany’ ”. — I Petera 5:9.
Vakio ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1986. Hanampy anao hifikitra mafy hatrany amin’izay mahitsy ka ho sambatra noho izany izy io. Mirakitra rapaoro amin’ny antsipiriany momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Bolivie, any Pays-Bas sy any Nigéria, izy io. Asehony koa ny rapaoro farany momba ny asa maneran-tany. Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoana an’io boky io, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1986.