“Mpitari-dalana ahy, mpanoro hevitra ahy”
Toy izany no niresahan’ny tanora Senegale iray ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. “Silamo aho, hoy ny fanazavany, ary nanaitra ny saiko mafy ny fomba fandaminanareo ireo zava-manahirana ny tanora. Miresaka ny fotoana maha-zatovo amim-pahendrena lehibe ianareo. Ho ahy, ny bokinareo dia tsy boky iray fotsiny: Mpitari-dalana ahy, mpanoro hevitra ahy, izy io ary ho toy izany foana.
“Kamboty ray nanomboka teo amin’ny faharaika ambin’ny folo taonako aho, ary niara-niaina tamin’ny renibeko hatreo amin’ny fahasivy ambin’ny folo taonako. Roapolo taona aho izao. Matoa mety hisy heriny tsara eo amin’ny olona manodidina ahy ny fomba fiainako, dia noho ny boky Jeunesse. Tsy voaisako intsony ny hoe impiry aho no namaky sy namerina namaky azy io. Na inona na inona foto-kevitra velabelariny, dia heveriko fa miantefa amiko mivantana izany. Nasehoko an’ireo namako rehetra izy io. Izy ireo koa dia mahita fa harem-pahalalana izy io.”
Ireto ny sasany amin’ireo toko 24 mahaforona an’io boky io: “Ahoana no fiheveranao ny lalàm-pifehezana?”, “Tsara ve ny misotro zavatra misy alikaola?”, “Ny mozika sy ny dihy”, “Lany andro ve ny fahadiovam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?” ary “Ny filalaovana fitia sy ny fifaneraserana”. Raha irinao ny hahazo an’io mpitari-dalana azo ampiharina io izay hanampy anao hahomby eo amin’ny fiainanao, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti.