FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/3 p. 32
  • Hitan’izy ireo teo amin’ny biraony izy io

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hitan’izy ireo teo amin’ny biraony izy io
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/3 p. 32

Hitan’izy ireo teo amin’ny biraony izy io

Ny mpiasa iray ao amin’ny seranam-piaramanidina any Milan, any Italia, dia namela teo ambony biraony, anankiray tamin’ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany nivoha teo amin’ny pejy faha-12 sy 13, misy sary mahafinaritra. Ireo olona nandalo dia nijanona sy nijery ilay boky tamin’ny fanontaniana hoe aiza no mety hahazoana anankiray amin’izany. Ny mpamily fiaramanidina iray dia naka tamin’izany, namaky azy ary nampiseho izany tamin’ny mpiara-miasa taminy. Niverina izy mba hanafatra 37 tamin’izany. Rehefa afaka iray volana taty aoriana, dia nangataka boky 48 fanampiny izy ho an’ireo mpamily sy mpiasa ana habakabaka. Tamin’ny farany, ilay mpiasa dia nanome boky 120 ho an’olon-kafa niasa tao amin’ny seranam-piaramanidina.

Matoky izahay fa ianao koa dia hankamamy an’io boky miavaka 256 pejy io, mitovy velarana amin’ity gazety ity izay mirakitra sary mahafinaritra maherin’ny 150, miloko ny ankamaroany. Ho fantatrao ny fomba mety hahatongavanao ho anisan’ireo izay hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoana izany, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana.

Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara