Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve ny apostoly Paoly anisan’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana?
Mety ny hiheverana fa i Paoly dia anisan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany.
Tsy manome antsipiriany firy ny amin’ny nahaforona ny kolejy foibe voalohany ny Baiboly. Ny ankamaroan’ny fanazavana omeny ny amin’izany dia hita ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-15. Asehon’ny fitantarana fa tamin’ny taona 49, ny antokon’olona nahaforona ny kolejy foibe dia voaforon’ny ‘apostoly sy loholona tao Jerosalema’. Iza moa izany? — Asan’ny apostoly 15:2, 4, 6.
Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, no nitarika ny fivoriana. Nalamina io fivoriana io mba hamantarana raha toa ireo Jentilisa niova hanaraka ny kristianisma ka tokony hanaja na tsia ny lalàn’i Mosesy, anisan’izany ny fepetra notakina momba ny famorana. Nandray anjara tamin’io fiaraha-midinika io ny apostoly Petera. Resahin’ny fitantarana koa ny amin’i Joda (nantsoina hoe Barnabasy) sy Silasy izay ‘samy tsara laza teo amin’ny rahalahy [teo amin’ny rahalahy, nitarika azy, MN ]’, kanefa tsy nolazainy miavaka fa hoe anisan’ny kolejy foibe izy ireo (Asan’ny apostoly 15:7, 13, 22). Raha ny marina, dia tsy manome lisitra feno mampiseho ireo anisan’io kolejy io ny Baiboly. Ny sasany mieritreritra hoe tsy isalasalana fa tsy anisan’izy ireo i Paoly, noho izy nanao dia misionera ary tonga avy any Antiokia any Syria izy mba hametraka ilay fanontaniana napetraka tany.
Marina fa tsy anankiray tamin’ireo “roa ambin’ny folo” niaraka tamin’i Jesosy akory i Paoly, satria Matia no nofidina hisolo an’i Jodasy Isikariotaa. Tsy anisan’ny roa ambin’ny folo koa anefa Jakoba mpianatra kanefa dia mazava fa anisan’ny kolejy foibe izy (Asan’ny apostoly 6:2; 1:15-26). Ankoatr’izany, dia niseho tamin’i Paoly i Jesosy ary nanankina taminy fanirahana ho ‘fanaka voafidy ho fitondrana ny anarany eo anatrehan’ny jentilisa’. Paoly àry dia tonga “Apostoly — tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra”. Nampahafantatra ny tenany ho “Apostolin’ny jentilisa” izy. — Asan’ny apostoly 9:3-6, 15; Galatiana 1:1; Romana 11:13; I Korintiana 9:1; 15:7, 8.
Ny asa notontosain’i Paoly teo ambany tana-maherin’Andriamanitra dia mampiseho koa fa izy dia anisan’ny kolejin’ny “apostoly sy loholona” izay nitondra ireo kongregasiona. Nanoratra boky 14 ao amin’ny Soratra grika kristiana izy. Nataon’i Petera nitovy laharana tamin’ny “teny sasany amin’ny Soratra Masina” ny soratra nataon’i Paoly, rahalahy malalantsika”. (II Petera 3:15, 16.) Nandray anjara tena lehibe i Paoly tamin’ny fampielezana ny kristianisma, ary nanome torohevitra be dia be izy ho an’ireo kongregasiona. Ny voarakitra ao amin’ireo taratasiny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia mampiseho fa indraindray dia ny tenany mihitsy no nandamina raharaha sasany. Tsy mahagaga rahateo izany ny amin’ny olona lavitra ny kolejy foibe ka nisetra zava-nanahirana momba ny fiadanan’ny fifandraisana (I Korintiana 5:11-13; 7:10, 17). Tamin’ny toe-javatra niseho hafa anefa, dia nanolotra raharaha sasany teo anatrehan’ny fitambaran’ny kolejy izy, araka ny miharihary amin’ny toko faha-15 amin’ny Asan’ny apostoly.
Ho an’i Titosy, dia nanoratra izao manaraka izao i “Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apostolin’i Jesosy Kristy: “Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao.” (Titosy 1:1, 5). Tamin’ireo diany àry dia tsy isalasalana fa niteny tamin’ny anaran’ny kolejy foibe i Paoly. — Asan’ny apostoly 16:4, 5.
Marina fa ny asa nankinin’ny Tompo taminy dia nitarika azy handeha lavitra ka noho izany dia tsy hanatrika fivorian’ny kolejy foibe sasany. Kanefa ny fomba nampiasan’Andriamanitra sy Kristy azy dia mampiseho fa anisan’io kolejy io izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Etsy andaniny koa, ny apostoly Jakoba dia efa novonoina ho faty tamin’izay fotoana izay. — Asan’ny apostoly 12:2.