Misionera vaovao manao izay rehetra azo atao mba hahombiazana
NY ALAHADY 8 septambra 1985 dia andro fahatsiaro ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 4351 nameno ny Efitrano fanaovana fivoriambe kanto any Jersey City mba hanatrika ny fanomezana diplaoman’ny kilasy faha-79 amin’ny Galaad, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower.
Fahatsiaro tokoa io andro io, satria nampiasaina voalohany io Efitrano fanaovana fivoriambe io hatramin’ny nitokanana azy. Vao voalohany koa hatramin’ny 1970, saika ny fianakavian’ny Betela manontolo no tafaray trano. Io fianakaviana io, izay ny sasany miasa ao Brooklyn ary ny sasany any amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’ny Fikambanana, dia miisa ho mpianakavy 3 500 izao. Koa satria vita izao ny Efitrano fanaovana fivoriambe any Jersey City, dia azon’izy ireo atao izao ny mampiasa trano ampy fahalalahana mba hivoriana.
Fahatsiaro indrindra anefa io andro io ho an’ireo mpanompon’i Jehovah tanora 24, avy any amin’ny tany folo samy hafa, izay nahaforona ny kilasy faha-79 amin’i Galaad. Vao avy nandany dimy volana izy ireny nandalinana ny Baiboly sy nanarahana fianarana fiomanana ho amin’ny asa misionera. Raha raisina indray ny tenin’i Albert Schroeder, prezidà tamin’io andro io, hatramin’izao izy ireo dia tsy mpianatra ao Galaad intsony fa nahazo diplaoma avy ao amin’io sekoly io.
Tao amin’io Efitrano fanaovana fivoriambe mampiadana io, misy rivotra natao ho antonony avy hatrany ny hafanany sy ny hamandoany, ireo misionera vaovao 24 dia nanana zo hatao mandra-pihaona izay hotsaroany ela be. Nampahatsiahivin’ilay prezidà azy ireo fa nianatra zavatra be dia be izy ireo tao amin’ny Sekolin’i Galaad. Kanefa ny sain’izy ireo dia natodika ho amin’ny zavatra lehibe kokoa noho ny fahalalana: ny fahasalamana ara-panahy. Tamin’izay dia nampidirin’ny rahalahy Schroeder ny mpandahateny maromaro izay hanome torohevitra faramparany ho azy ireo.
Carey Barber, mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe, dia niresaka tamin’izy ireo ny amin’ny fikatsahana fahasambarana. Nanonona ny tenin’i Solomona izy ka nampahatsiahy azy ireo fa tsy mitondra fahasambarana ny fahafinaretan’izao tontolo izao (Mpitoriteny 2:1-11, 17). Nosoritan’i Jesosy, hoy ny nanampiny, ny maha-zava-dehibe ny hiheverana ny zavatra ara-panahy mba hahasambatra (Matio 5:3, MN ). Nahasoa an’ireo nahazo diplaoma avy ao Galaad tokoa izany fanambarana nataon’i Jesosy izany. Koa na dia mitarika azy ireo hamoy zavatra mampiadana ara-nofo sasany aza ny asa misionera, dia afaka ny hahomby ihany izy ireo.
Ny mpandahateny manaraka dia John Booth, anisan’ny Kolejy foibe koa. Nampahatsiaroviny ny mpihaino fa Paoly misionera efa be taona tamin’izay, dia namporisika an’i Timoty misionera tanora, hanohy handroso amin’ny fitondrantena kristiana, ny fianarana manokana sy ny vavaka (I Timoty 2:1, 8; 4:12-16). Tokony handroso toy izany koa ireo misionera vaovao raha tiany ny hahomby. Taorian’izany, Lyman Swingle, mpitantsoratra sady mpitahiry volan’ny Fikambanana, dia nitantara fa nanontaniany vao haingana an’ireo misionera tany Brésil hoe inona no torohevitra homen’izy ireo ny misionera vaovao mba hanampiana azy ireny hahomby. “Ilazao izy ireo mba hanohy hamaky sy handalina ny Baiboly rehefa ho tonga any amin’ny faritaniny”, hoy ny navalin’izy ireo azy.
David Olson, anisan’ny Komity ho an’ny asa, dia niresaka ny amin’ny injeniera iray izay, rehefa avy tompon’andraikitra tamin’ny tapany amin’ny fandaharana momba ny habakabaka nahatonga ny olombelona ho afaka handeha teny amin’ny volana, dia tapa-kevitra ny hamelon-tena tamin’ny fanadiovana toerana fipetrahan’ny fiarakodia. Nety taminy kokoa io asa vaovao io. Nahoana? Satria izany namela fotoana ho azy mba hanompoana an’i Jehovah sy hikarakarana ny ankohonany. Marina tokoa fa ireo izay mahita ny fahafinaretana lehibe ao amin’i Jehovah sy ny lalàny ary ny asany dia mahita ny fanalahidin’ny tena fahombiazana. — Salamo 1:1-3.
Ulysses Glass, mpitantsoratra ao amin’ny Sekolin’i Galaad, dia nidera an’ireo nandray diplaoma noho ny fahamaotinany sy ny fihetsiny nampiseho fanajana. Nomarihiny fa liana tokoa tamin’ny fianarana izy ireo ary naneho faniriana mafy ny hahazo tsara ireo zavatra nianarana. Azo antoka fa hanampy azy ireo amin’ny asa izany, hoy ny fanantitranterany. Nanampy teny i Jack Redford, mpampianatra tao amin’ny sekoly, fa hitaky fiezahana ho azy ireo ny taona voalohany amin’ny asany misionera. Mba hahavitana izany, dia tokony hiara-miasa akaiky amin’ny misionera hafa izy ireo, hanana faharetana sy hamboly fifaliana. — Mpitoriteny 7:8, 9.
Ny mpandahateny farany dia Frederick Franz, prezidàn’ny Fikambanana Watchtower. Nanomboka ny lahateniny tamin’izao teny izao izy: “Tsy anenenako ny niainako nandritra ny 92 taona mba hahatongavana amin’ny fotoana toy izao!” Nanohy ny teniny izy tamin’ny fitantarana tamin’ireo nahazo diplaoma, ny fiandohan’ny Sekolin’i Galaad ka namporisika azy ireo tsy hivadika hatrany any amin’ny faritaniny avy.
Taorian’izany foto-dresaka isan-karazany izany dia nandray ny diplaomany ireo mpianatra ary ny fiatoana dia namela ny tsirairay avy handray fanalana hetaheta. Avy eo izy ireo dia nanome valinteny tamin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana notarihin’i Dean Songer, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty. Rehefa avy eo ireo nahazo diplaoma dia nampifaly ny mpanatrika tamin’ny fitantarana zavatra hita tamin’ny fitoriana, tamin’ny fitendrena zavamaneno sy tamin’ny fampisehoana tantara fohy an-tsehatra vitsivitsy mba hanehoana ny fifaliany nanaraka ny fianarana tao amin’ny Sekolin’i Galaad sy ny fahavononany hamantatra “izay zavatra tsara indrindra”. (Filipiana 1:10.) Farany dia nanao fampisehoana tantara mety amin’izao androntsika izao izy ireny: Tadiavo ny fahamarinan’Andriamanitra mba hahatafita velona.
Tamin’izany no nifaranan’io andro nanan-tantara io izay hotsaroan’ireo mpianatra ela be raha mbola hampihatra ireo torohevitra noraisina izy ireo ka hanao izay rehetra azony atao mba tena hahombiazana eo amin’ny asany misionera.