FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/2 p. 32
  • Tena nahagaga azy ny vadiny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena nahagaga azy ny vadiny
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/2 p. 32

Tena nahagaga azy ny vadiny

Rehefa nanolotra ho an’ireo mpiara-miasa aminy Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly ny vehivavy mpandefa talefaonina iray any Texas tamin’ny fampisehoana tamin’izy ireo ny sary tsara tarehy tao anatiny sy ny fampianarany sarobidy tokoa, tamin’ny fitambarany dia 50 no nafaran’ireo. Nohazavainy izay nitranga rehefa nitondra ho an’ny vehivavy iray ny boky nafarany taminy izy.

“Manenina aho nangataka taminao mba hitondra ity boky ity”, hoy ny nambaran’io vehivavy io tamiko.

“Nahoana?” hoy aho taminy.

“Tsy fantatro hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao, hoy ny navaliny. Mankahala anareo ny vadiko.”

“Malahelo aho noho izany fihetsiny izany”, hoy aho taminy. Nefa satria voamariko fa nanintona ny sainy aoka izany ilay boky, dia izao no teny nanampiko: “Ento any aloha dia asehoy ny vadinao. Raha tsy tiany, dia avereno amiko.”

“Eny àry”, hoy ny famaranan-teniny.

“Rehefa tafahaona tamin’io vehivavy io indray aho ny ampitso hariva, dia hoy izy tamiko: ‘Tena faly tokoa aho. Nentiko tany an-trano ilay boky, dia napetrako teo ambony ‘buffet’. Rehefa avy eo dia lasa aho niantsena. Rehefa nody aho, dia niara-nipetraka tamin’ny ankizy ny vadiko ary namaky ny boky tamin’izy ireo. Nanontaniany aho hoe taiza no nahazoako azy. Dia nolazaiko taminy fa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Tena boky tsara ilay izy, hoy ny nanampiny. Jereo ireto sary. Ary eo ambanin’ny pejy dia tondroina amintsika hoe aiza no hahitana ireo fanazavana ao amin’ny Baiboly.” ’ ”

Ianao koa dia ho tia an’io boky tsara tarehy feno sary io, vita pirinty amin’ny sora-baventy. Ireo fitantarana araka ny Baiboly 116 ao anatiny dia manome ho an’ny mpamaky, ny ambangovangon’ny voarakitra ao amin’ny Soratra masina. Ambonin’izany, izy ireo dia aseho araka ny fandehan’ny fotoana, ka tena mora ampiasaina mba hahafahana manondro ao amin’ny fotoana hoe oviana no nitranga ny fisehoan-javatra toy izao raha oharina amin’ny hafa. Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoanao an’io boky 256 pejy io, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana.

Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara