“Arakaraka ny amakiana azy, no itiavana azy”
“Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis dia boky iray izay ny Baiboly ihany no mihoatra azy, hoy ny nosoratan’ny mpamaky iray tany Philippines. Tsy misy azo atao afa-tsy ny ho tia azy io amin’ny fon’ny tena rehetra sy ny fanahin’ny tena rehetra. Indroa no efa namakiako an’io boky io nanomboka tamin’ny pejy voalohany ka hatramin’ny farany, ary mbola maniry ny hamaky azy io ihany aho. Arakaraka ny amakiana azy no itiavana azy. Faran’izay ahitana fianarana izy io (...). Raha ampiharina io boky io, dia ho ampy handrodanana izao tontolo izao.”
Io boky mahafinaritra tokoa io dia misy pejy 256, mitovy amin’ity gazety ity ary misy sary maherin’ny 150 ka miloko ny ankamaroany. Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoanao azy, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis.