FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/1 p. 32
  • Loharanom-pifaliana ny fahamoram-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanom-pifaliana ny fahamoram-panahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/1 p. 32

Loharanom-pifaliana ny fahamoram-panahy

Teo am-piandohan’ny taona, dia naharay izao taratasy manaraka izao ireo mpampanonta Ny Tilikambo Fiambenana:

“Tompoko,

“Tamin’ny volana lasa, tany Filadelfia, dia nisy nangalatra ny poketran’ny zanako zatovovavy izay nataony tao anatin’ny kitapony misy samboady. Tamin’ny herinandro lasa teo anefa, dia naverina taminy izany tamin’ny alalan’ny paositra, niaraka tamin’ny “permis” sy taratasy lehibe hafa koa. Tsy tian’ilay mpandefa ny hampahafantatra ny anarany fa nampiarahiny tamin’ny zavatra nalefany kosa ny nomerao iray amin’ny Gazetinareo Ny Tilikambo Fiambenana. Na iza na iza io olona io, dia naneho fitiavan-drahalahy izy (ao anatin’ny ‘tanànan’ny fitiavan-drahalahy’). Tsy isalasalana fa nahita ilay poketra narian’ny mpangalatra izy ary nisahirana nandefa azy tamin’ny zanako ka ny tenany ihany no nandoa ny lany. Mankasitraka azy izahay sy ny ankohonako (...). Tamin’izany fomba izany dia nanao ‘fanambarana’ tsara dia tsara ho anay izy, indrindra fa ho an’ireo zanako telo zatovo.”

Olona an-tapitrisany maro no nandray soa lehibe tamin’ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana. Izany dia nahatonga azy ireo ho afaka hamboly toetra tsara, toy ny fanaovana ny marina, ny fahamoram-panahy sy ny fahatsaram-panahy. Ity gazety mivoaka indroa isam-bolana ity izao dia 11 tapitrisa ny indray mivoaka ary atonta amin’ny fiteny maherin’ny 100. Raha maniry izany ianao, dia afaka manao famandrihana aminy herintaona amin’ny famenoana fotsiny ny tapakila famaliana eto ambany sy amin’ny famerenana azy aminay amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity.

Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana aho. Ampiarahiko amin’ity ny vola 5 430 FMG (fiaramanidina).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara