FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/11 p. 8-9
  • Fandehanana nankany Jerosalema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandehanana nankany Jerosalema
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo dia nankany Jerosalema
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nankany Jerosalema i Jesosy sy ny Fianakaviany
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Jesosy Tamin’izy Ankizilahikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Jesosy Zaza tao Amin’ny Tempoly
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/11 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Fandehanana nankany Jerosalema

TONGA ny lohataona. Ho an’i Josefa sy ny ankohonany ary koa ho an’ny havana aman-tsakaizany, dia tonga ny fotoana hanaovana ny dia fanao isan-taona tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska tany. Tao anatin’ny fahataitairana mahazatra eo am-piaingana, ny tsirairay avy dia vonona ny handeha eo amin’ny 100 kilaometatra. Roa ambin’ny folo taona izao i Jesosy, ary tamim-pahalianana manokana tokoa no niandrasany an’io andro firavoravoana io.

Ho an’i Jesosy sy ny fianakaviany, dia tsy raharaha indray andro monja akory ny Paska. Hijanona any Jerosalema tokoa izy ireo mandritra ny andro firavoravoana fihinanana ny Mofo tsy misy masirasira manaraka avy hatrany ny Paska izay maharitra hafitoana. Noho izany antony izany, ny dia mandroso sy miverina avy any Nazareta, anisan’izany ny fivahiniana any Jerosalema, dia maharitra roa herinandro eo ho eo. Haharitra kokoa anefa izany amin’io taona io, noho izay hitranga amin’i Jesosy.

Nitranga ny zava-nanahirana tamin’ny fiverenana avy any Jerosalema. Nino mafy i Josefa sy Maria fa tafaraka tamin’ny antokon’ny havana na ny sakaiza niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesosy. Kanefa, rehefa nijanona tamin’ny alina ny antoko-mpandeha, dia tsy hita Jesosy ka nanomboka nitady azy teo amin’ny mpandeha ireo ray aman-dreniny. Mbola tsy hita ihany anefa izy. Koa lasa nitady azy i Josefa sy Maria ary niverina nankany Jerosalema.

Nandritra ny indray andro maninjitra, dia very maina foana ny fikarohany azy. Toy izany koa tamin’ny andro faharoa. Farany, tamin’ny andro fahatelo izy ireo dia nankany amin’ny tempoly, ary tany, tao amin’ny anankiray tamin’ireo efitrano, dia hitan’izy ireo Jesosy nipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra jiosy. Teo am-pihainoana sy teo am-pametrahana fanontaniana tamin’izy ireo fotsiny izy.

‘Nahoana ianao, anaka, no nanao toy izao? hoy ny fihiakan’i Maria. Nanahy mafy izaho sy ny rainao ka nitady anao hatraiza hatraiza!’

Nahagaga an’i Jesosy ny tsy nahalalan’izy ireo hoe taiza izy. ‘Nahoana no nitady ahy ianareo? hoy ny fanontaniany. Tsy fantatrareo ve fa eto, eto an-tranon’ny Raiko, no toerako?’

Tsy takatr’i Jesosy ny antony tsy nahalalan’ireo ray aman-dreniny izany. Raha efa izany, dia nody tany an-tranony niaraka tamin’ny rainy sy ny reniny izy ka nanohy nanaiky azy ireo. Raha nitombo izy, dia nandroso koa tamin’ny fahendrena sy tamin’ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny olona. Eny, vao teo amin’ny fahazazany i Jesosy dia nanome ohatra tsara, tsy tamin’ny fahalianana ny amin’ny zavatra ara-panahy ihany, fa tamin’ny fanehoana fanajana ny ray aman-dreniny koa. Lioka 2:40-52; 22:7.

◆ Inona no dia nataon’i Jesosy isaky ny lohataona niaraka tamin’ny ankohonany, ary naharitra hafiriana izany?

◆ Inona no nitranga tamin’ny dia rehefa roa ambin’ny folo taona Jesosy?

◆ Inona no ohatra navelan’i Jesosy ho an’ny ankizy amin’izao andro izao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara