FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/8 p. 24-25
  • Bevohoka nefa tsy nanambady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bevohoka nefa tsy nanambady
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Bevohoka nefa tsy nanambady
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Bevohoka i Maria Nefa Tsy Nanambady
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/8 p. 24-25

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Bevohoka nefa tsy nanambady

BEVOHOKA telo volana teo ho eo izao i Maria. Azo antoka fa tadidinao ny nandaniany ny fiandohan’ny fananany anaka tany amin’i Elizabeta ka tamin’ny farany izy dia niverina tany Nazareta. Tsy ho ela dia ho fantatry ny olona rehetra tao amin’ilay tanàna kely nonenany ny toe-tenany. Tena tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra tokoa izy.

Ny tsy nandamina na inona na inona, dia ny nananan’i Maria an’i Josefa mpandrafitra ho fofombady. Araka ny fantany tsara anefa, teo ambanin’ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely, ny zazavavy iray voafofo ho vadin’olona ka nanaiky hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy tamin-dehilahy hafa tsy vadiny dia tokony hotoraham-bato. Ahoana no hanazavany ny fananany anaka amin’i Josefa?

Koa satria efa hatramin’ny telo volana no lasa i Maria, dia mazava ho azy fa tsy andrin’i Josefa izay hahitana azy indray. Raha vao nihaona voalohany izy ireo, dia tsy isalasalana fa hanambara aminy ilay vaovao i Maria. Hanao araka izay farany azo atao izy mba hampiaikena azy fa noho ny asan’ny fanahy masina no nampanana anaka azy, nefa, araka ny tsy maintsy ho nampoizinao, dia ho sarotra amin’i Josefa tokoa ny hino izany.

Fantatr’i Josefa ny laza tsaran’i Maria, ary tsy misy isalasalana mihitsy fa tia azy fatratra izy. Ary anefa, na dia tao aza izay rehetra nety ho nolazainy, dia toa tena nanana firaisana tamin-dehilahy iray izy mba hahabevohoka azy. Na dia tao aza anefa ny nety ho nisian’izany, dia tsy nirin’i Josefa ny hamonoana azy ho faty na ny hanalana baraka ampahibemaso azy. Koa nanapa-kevitra izy ny hisaraka aminy mangingina. Tamin’izany fotoana izany, ny mpifamofo dia noheverina ho toy ny mpivady, ka nilaina ny fisaraham-panambadiana mba hanapahana ny fifamofoana.

Taty aoriana, dia lasa natory i Josefa, ka mbola nitana ny sainy foana io raharaha io. Dia niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah ka nilaza taminy hoe: ‘Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria ho vadinao, satria manana anaka noho ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra izy. Homenao anarana hoe Jesosy ny zanany, satria izy hamonjy ny vahoakany amin’ny fahotany.’

Nifoha i Josefa, safononoky ny fankasitrahana. Mifanaraka amin’ny nandidian’ny anjely azy, tsy ela izy dia naka an’i Maria ho ao an-tranony. Izany fanaovan-javatra ampahibemaso izany dia nahasolo ny fombafomba fampakaram-bady, satria nampiseho teo anatrehan’ny rehetra fa hatramin’izao dia mpivady ara-dalàna i Josefa sy Maria. Kanefa tsy hanana firaisana amin’i Maria i Josefa raha mbola hanana an’i Jesosy i Maria.

Jereo! Efa bevohoka be izao i Maria, ary anefa dia nampitaingina azy ampondra i Josefa. Ho aiza izy ireo? Nahoana no niainga handeha izy ireo, kanefa nadiva hiteraka i Maria? Lioka 1:39-41, 56; Matio 1:18-25; Deoteronomia 22:23, 24.

◆ Nanao ahoana ny fihetsik’i Josefa rehefa reny fa bevohoka i Maria? Nahoana?

◆ Ahoana no nety ho nisarahan’i Josefa tamin’i Maria, kanefa tsy mpivady izy ireo?

◆ Nanao ahoana ny fizotran’ny fampakaram-badin’i Josefa sy Maria?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara