Tongava soa aman-tsara ao amin’ny fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”
NY Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra tsara, tsy amin’ny fanompoana tontosainy amin-jotom-po isan-trano ihany, fa amin’ireo fihaonambeny kristiana koa. Nitranga tsy tapaka izany nandritra ny zato taona mahery, nanomboka tamin’ny 1879 raha ny marimarina kokoa. Efa nisy tsara dia tsara talohan’izany koa anefa voalaza ao amin’ny Baiboly.
Ny Isiraelita tokoa dia tsy maintsy nivory intelo isan-taona tamin’ireo andro firavoravoany. Noheverin’i Jehovah ho zava-dehibe tokoa izany, hany ka, ara-tsindrimandry, dia nampahatsiahy matetika tokoa an’io foto-dresaka io i Mosesy ao amin’ny Pentateuque (jereo Eksodosy 23:14-17; 34:22-24; Levitikosy 23:4-22; Nomery 28:16 ka hatramin’ny 29:12; Deoteronomia 16:1-16). Tetsy andaniny koa, ny Soratra masina dia mampahafantatra antsika fa ireo ray aman-drenin’i Jesosy dia zatra ny niakatra tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska. — Lioka 2:41, 42.
Hatramin’ny 38 taona ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandamina ireo fivoriambeny araka ny fanaon’ny Isiraely fahizay. Indroa isan-taona dia manana fifaliana isika tafahaona amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany izay mahavory kongregasiona 8 ka hatramin’ny 20 arakaraka ireo faritra. Afa-tsy izany koa, dia tsy andrintsika foana izay hahatongavan’ireo fivoriambentsika iraisam-pirenena, isam-pirenena na isam-paritra, izay atao indray mandeha isan-taona. Ankamamintsika araka ny tokony ho izy ve ireny fihaonambe ireny? Tsy manana fifaliana mandray soa avy amin’izany ny rahalahintsika rehetra maneran-tany. Porofoin’izany izao fanazavana izao, voarainay vao haingana avy any amin’ny tany iray any Balkans izay nisian’ny fameperana naharitra teo amin’ny asantsika: “Vao voalohany tamin’izay no nahafahanay nanao fivoriamben’ny distrika tao amin’ny efitranom-bahoaka iray (...) Endrey ny fahasambaran’ny rahalahy rehetra!”
Tena nanana antony tsara tokony hifaliana ireny kristiana ireny. Toa arakaraka ny ivorian’ny Vavolombelona miaraka maro no mahalehibe ny fahasambarany. Tamin’ny 1983, dia nisy rahalahy nanao izao fanamarihana izao: “Ny fivoriambe ‘Tafaray noho ilay Fanjakana’, izay natao tamin’ny desambra, dia tsy azo lavina fa ny fisehoan-javatra niavaka indrindra tao anatin’ny taona.” Ireo namany avy any amin’ny tany hafa iray dia niresaka ny amin’izany ho toy ny “fotoan-dehibe ao anatin’ny taona.” Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha toa ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah ka manao fandaharana mba ho tonga amin’ireny fivoriambe ireny mandritra ny telo andro sy tapany aharetan’ny fandaharana, na dia milaza fahafoizan-tena lehibe ho azy ireo aza izany.
Tamin’ny taona lasa isika dia nanana tombontsoa nanatrika ny fivoriambe “Ny fitomboan’ilay Fanjakana”. Ireo lahateny natao tao dia nanipika fa nety tokoa io foto-kevitra io rehefa heverina amin’ny fandrosoana mahagaga voamarika naneran-tany raha ny amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Ambonin’izany, dia nanintona ny saina izy ho amin’ny andraikitry ny kristiana tsirairay avy mifandray amin’io fitomboana io. Afa-tsy izany koa, toy inona moa ny fifaliantsika nahafantatra ny fisehoan’ny boky vaovao izay hahasoa antsika eo amin’ny fanompoantsika! Aoka hotononintsika ny fanontana misy fakan-teny amin’ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao (anglisy), ilay boky fianarana Baiboly mitondra ny anarana hoe Comment assurer votre survie et hériter d’une nouvelle terre, ilay bokikely hoe Le nom divin qui demeure à jamais sy ny boky fahefatra amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible. Mbola mitahiry zavatra tsy ampoizina hafa ho antsika koa ity taona ity. Koa faly isika rehefa mieritreritra ny ho tafahaona indray amin’ny fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”. Io foto-kevitra io dia mampisongadina ny anjara lehibe azontsika raisina amin’ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany mandra-pifaran’izao fandehan-javatra tapahin’i Satana izao.
Foto-kevitra tena lehibe àry io. Izany tokoa dia mifamatotra amin’ny lehibe indrindra amin’ny raharaha rehetra manintona ny sain’ny zavaboary manan-tsaina: ny maha-ara-dalàna ny fanapahan’Andriamanitra, dia fanapahana efa tohanan’ireo zavaboary izay tsy mivadika hatrany na dia ao aza ny fanafihan’i Satana rehetra. Marina fa tsy mora akory ny mijanona ho lehilahy na vehivavy tsy mivadika amin’izao “andro mahory” izao. (II Timoty 3:1-5.) Izany lalana izany dia mifanipaka indrindra amin’ny an’ny tsy fanaovana fiezahana afa-tsy kely dia kely. Mba hanarahana izany, dia tokony ‘hiditra amin’ny vavahady ety sy handeha amin’ny lalana tery izay mitarika ho amin’ny fiainana isika’. — Matio 7:13, 14.
Raha tiantsika ny hijanona ho minisitra tsy mivadika amin’i Jehovah, dia tokony hahafeno fepetra roa tena lehibe isika. Etsy andaniny, dia ilaina ny hamoazana ny vokatry ny fanahy masina mba “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra”. (Titosy 2:10.) Etsy ankilany, dia andraikitsika ny mitory sy manao mpianatra mba handraisana anjara amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. — Matio 24:14; 28:19, 20.
Mba hamenoana an’ireo fepetra roa ireo, dia zava-dehibe ny hanohizantsika mikatsaka ny Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha. Tokony hotoherintsika ny tetikadin’ny Devoly rehetra, ny fakam-panahy rehetra apetrak’izao tontolo izao ankehitriny eo amin’ny lalantsika, na ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo izany na ny fikatsahana fahafinaretana. Sahala amin’i Paoly, dia ‘tokony hanisy mafy ny tenantsika ho mangana ka hanandevo azy’ isika. (I Korintiana 9:27; I Petera 5:8; I Jaona 2:15-17.) Tsia, tena tsy raharaha kely akory ny fanoherana ireo fanafihana kendrena hanapahana ny tsy fivadihantsika.
Raha takatsika ny maha-zava-dehibe tokoa io fiezahana mafy io, dia ho tonga any amin’ny fivoriambe isika ‘noho ny fahatsapana fa mila ny zavatra ara-panahy’ isika. (Matio 5:3, MN.) Hihaino tsara foana izay holazaina eny amin’ny lampihazo isika, haka fitadidiana an-tsoratra, handray anjara amin’ny fo rehetra amin’ny fanaovana ny hira ary hiray saina tanteraka amin’ireo vavaka hatao. Hotadidiantsika indrindra ireo torohevitra mety hanampy antsika tsy hivadika hatrany, hahatoky eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra sy ny vadintsika ary ireo namantsika kristiana. Ireo lahateny, fanadinadinana, fampisehoana sy tantara haseho dia tsy maintsy hanatanjaka antsika tsy misy toy izany eo amin’ny fahatapahan-kevitsika tsy hivadika hatrany mandra-pifaran’izao fandehan-javatra ratsy izao.
Aoka tsy hohadinointsika koa fa ireo fihaonambe ataontsika dia fanambarana ho an’izao tontolo izao. Araka izany, tamin’ny volana janoary teo, ny fivoriambe “Ny fitomboan’ilay Fanjakana”, izay natao nandritra ny efatra andro tany amin’ny River Plate Stadium any Buenos Aires, any Argentine, dia nisy akony lehibe tao amin’ny filazam-baovao. Ny gazety Ahora eo an-toerana dia nanokana ho azy, fitantarana tsara dia tsara, miaraka amin’ny sary miloko, teo ambanin’ny lohateny amin’ny sora-baventy hoe “Mameno ireo kianja ny finoana”.
Teo ambanin’ny lohateny lehibe hoe “Fanjakana iray mitatra aoka izany: ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah”, ny lahatsoratra iray nahafeno pejy roa dia nilaza toy izao, ankoatra ny zavatra hafa: “Tena sarotra inoana: ilaina ny mahita mba hinoana azy. Tena mahafindra tendrombohitra tokoa ny finoana. Ny finoana ihany no afaka nanosika toy izany, olona eo amin’ny 42 000 ho tonga hameno ireo tohatohatra amin’ny River Plate Stadium nandritra ireo efatra andron-dohataona nafana indrindra ireo sy tao anatin’ny filaminana naha-te-hidera. Mbola ny finoana koa, ary io ihany, no afaka nahavory mpivavaka tsy latsaka ny 46 000 tsy misy fanavakavahana hoe lahy na vavy, taona, fahaizana, firazanana na firenena tamin’ny andro farany amin’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (...) Na miray hevitra aminy isika na tsia, ireny olona rehetra ireny dia mendrika ny fanajantsika lehibe indrindra. Maneho fanetren-tena izy ireny, kanefa ambony dia ambony noho ny fahambanian’ny fiainana andavanandro sy izao tontolo izao ankehitriny tsy maintsy mihatra amintsika rehetra; amin’izy ireo dia hevitra inoana ny filaminana sy ny fitiavan-drahalahy.”
Nitohy toy izao ilay lahatsoratra: “Inona no holazaina ny amin’ny fandaminan’izy ireo? Tonga lafatra ny zavatra rehetra. Sorena aza ireo polisy nirahina ho eny an-toerana, satria tsy nanan-katao mihitsy (...). Nandritra ireo efatra andro ireo, dia tsy nisy mihitsy fanamarihana fisehoan-javatra, fihaikana na dia kely akory aza, fikorontanana na dia kely aza (...). Mbola tsapanay ihany ny fiadanana tsy hay lanjaina toa avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah (...). Na marina ny arahiny na tsia, dia nahazo ny fiheveranay izy ireo. Fa inona àry no hery manosika azy ireny? Ny finoana. Ilay finoana izay mahafindra tendrombohitra.”
Tsy isalasalana mihitsy fa amin’ny fitondrana tena toy ny minisitra kristian’i Jehovah, dia ho afaka hanao fanambarana tsara dia tsara amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao isika. Marina fa tsy mora mihitsy akory ny ho kristiana. Nilaza i Jesosy fa toy ny fitondrana hazo fijaliana izany. Kanefa raha omentsika voninahitra ny fivoriambentsika hanaraka hitondra ny lohateny hoe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”, dia hanampy antsika ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy tsara-tsara kokoa izy io. — Matio 16:24.