Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ao amin’ny Hebreo 3:1-6 dia misy firesahana ny amin’i Mosesy sy Jesosy ary Jehovah mifandray amin’ny “trano”. Trano inona izany?
Amin’ny ankapobeny, ny “trano” nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly dia mampiseho ny olona na kongregasionan’Andriamanitra.
Izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 3:1-6: “Koa amin’izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, Izay mahatoky ny nanendry Azy, tahaka an’i Mosesy koa tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra. Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan’ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano ataony. Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny [mahatoky ao amin’ny, MN ] tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.”
Araka ny nohazavain’i Paoly teo aloha kokoa, tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra azy, Jesosy dia nandova anarana tsara noho ny an’ireo anjely. Amin’izany, raha mendrika ny fiheverana ny tenin’ny Lalàna nampitain’Andriamanitra tamin’i Mosesy tamin’ny alalan’ireo anjely, dia vao mainka mendrika inoana kokoa ny teny nambaran’ny Zanaka (Hebreo 1:1-4; 2:1-4). Ao amin’ny Hebreo toko faha-3 i Paoly dia manohy mampisongadina ny fahambonian’i Kristy.
Mba hametrahana an’ireo andinin-teny ireo ao anatin’ny teny manodidina azy, dia tsy hoe tafahoatra akory ny fampahatsiahivana fa taorian’ny fitarainana nataon’i Miriama sy Arona ny amin’ny anjara toerana lehibe notanan’i Mosesy teo amin’ny Isiraely, dia nanambara Andriamanitra fa ‘nahatoky tao amin’ny tranony rehetra’. (Nomery 12:7.) Koa satria tamin’ny naha-mpisoronabe, Arona dia afaka niditra tao amin’ny tabernakely (ary na dia tao amin’ny Masina indrindra koa aza), ny “trano” nanompoan’i Mosesy dia tokony ho ny firenena na kongregasionan’ny Isiraely. Araka ny tena azo inoana anefa, dia io teny io no nasian’i Paoly fitenenana ao amin’ny Hebreo 3:2. Soritany tokoa fa niseho ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra Jesosy toy ny naha-izany an’i Mosesy ‘tao amin’ny tranony rehetra’. Nampiany anefa fa Jesosy dia “miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy”. Nahoana?
Toy izao ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly: “Araka ny ananan’ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano ataony.” Izay rehetra efa nanorin-trano amin’ny heviny ara-bakiteny dia tsy afaka afa-tsy ny hanaiky izany filazana izany. Ny tian’i Paoly holazaina àry dia hoe mendrika voninahitra noho Mosesy Jesosy Zanak’Andriamanitra satria nanorina “trano” iray, dia zavatra tsy nataon’i Mosesy mihitsy. Mazava ho azy fa, araka ny fiaiken’ilay apostoly, rehefa fakafakaina farany, dia Andriamanitra no nampisy ny zavatra rehetra. — Hebreo 3:3, 4.
Rehefa nanohy ny fanazavany i Paoly dia nampahatsiahy fa “mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra” i Mosesy. (Hebreo 3:5.) Marina tokoa fa ‘tao an-trano’ i Mosesy satria anisan’ny kongregasionan’ny Isiraely. Fa hanao ahoana ny amin’ny Mesia sady mpaminany izay izy no tandindony ka nambarany ny hahatongavany (Deoteronomia 18:18, 19; Jaona 1:21, 25; Asa. 3:22, 23)? Io mpaminany io dia tsy ho mpanompo mahatoky fotsiny ao amin’ny tranon’ny Isiraely. Raha raisina ny tenin’i Paoly, Kristy dia “Zanaka hahatoky ao amin’ny tranony”. Nefa moa ve izy hotendrena eo amin’ny tranon’ny Isiraely? Tsia, miharihary fa i Paoly dia nieritreritra zavatra lehibe kokoa.
Nanompo tao amin’ny “trano” iray araka ny voalazan’ny faneken’ny Lalàna i Mosesy. Jehovah anefa dia nampanantena fiorenan’ny fandehan-javatra iray tsaratsara kokoa miorina amin’ny “fanekena vaovao”. (Hebreo 8:7-13; Jeremia 31:31-34.) Io fanekena vaovao io dia nataony tamin’ny trano na firenena voaforon’ny Isiraely ara-panahy (Galatiana 6:16). Koa nanambara toy izao i Paoly: “Isika no tranony raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana.” — Hebreo 3:6; jereo I Timoty 3:15; I Petera 2:5; Matio 16:18.
Araka izany àry, ny “trano” niasan’i Mosesy dia ny kongregasionan’ny Isiraely araka ny nofo. Ny naorin’i Jesosy kosa ka eo amboniny no ipetrahany, dia fantatra ho ny kongregasionan’ny Isiraelita ara-panahy izay mitana mafy ny fanantenany “hatramin’ny farany”. — Hebreo 3:6.
◼ Koa satria mendrika ny hiainana dieny izao ny fomba fiaina kristiana, nahoana i Paoly no nanoratra hoe: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika”?
Tsy azo lavina fa fomba fiaina mahafinaritra sy mahafapo ny tena kristianisma. Ao amin’ny I Korintiana 15:19 anefa dia tian’i Paoly haseho fa izay mijaly noho ny fanantenany dia hampalahelo raha hita fa tsy marim-pototra izany fanantenana izany.
Manana antony maro tokony hanantitranterana isika fa tsara dia tsara ny fomba fiaina avy amin’ny fanarahana ny kristianisma. Ireto ny sasantsasany: Voalohany indrindra, ny kristianisma marina dia anisan’ny kongregasiona iray voaforon’ny olona madio sy mahitsy izay tia azy, mihevitra azy ary vonona ny hanampy azy eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo. Ambonin’izany, ny fampiharana torohevitr’Andriamanitra dia miaro azy amin’ny loza maro amin’ny lafiny ara-batana, sahala amin’izay avy amin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny fisotroana tafahoatra, ny fampiasana paraky na sigara sy ny zavatra mahadomelina (Romana 1:26, 27; I Korintiana 6:18; II Korintiana 7:1; Efesiana 4:18, 19). Etsy andaniny koa, ny fahavelomany dia tsy hoe tsy misy na inona na inona akory. Tsy manana fisalasalana ny amin’ny hevitry ny fiainany izy na ny amin’ny fomba tsara hitondrana azy. Mitana fifandraisana tsara amin’ny Mpamorona azy izy ary mahita fahafinaretana amin’ny fanaovana ny sitrapony. Noho ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika avy amin’ny Baiboly, dia mora aminy kokoa ny miantoka tsy fananana ahiahy sy fahasambaran’ny ankohonany. Farany, noho ny fanaovany ny marina, dia tsy isalasalana fa ho mpiasa ankamamina tokoa izy ka tsy ho mora hamoy ny asany na hijanona ela tsy hahita asa.
Na dia tsy feno aza izany fitanisana izany dia ampy anaporofoana fa ny fomba fiaina kristiana dia feno heviny ka ao amin’izany ihany dia efa misy valisoa lehibe.
Mety hianjadian’ny fankahalana sy ny fanenjehana ary ny herisetra avy amin’ny manodidina azy anefa ny mpianatr’i Kristy (II Timoty 3:12). Nanambara mialoha i Jesosy fa hitranga izany (Matio 24:9, 10; Marka 8:34; 10:30; Lioka 21:12; Jaona 16:2). Ireo kristiana tany Korinto fahiny dia nahalala izany. Fantany koa fa Paoly izay “nanenjika ny kongregasionan’Andriamanitra” taloha, dia mba nenjehina kosa indray. Nanoratra toy izao ho azy ireo koa i Paoly: “Raha tevatevaina izahay, dia misaotra, raha enjehina, dia miaritra.” (I Korintiana 15:9; 4:12; II Korintiana 11:23-27). Na dia tao aza izany rehetra izany, dia nanazava toy izao izy: “Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva. (...) Maty isan-andro [misetra fahafatesana, MN ] isan-andro aho. Raha araka ny fanaon’olona no niadiako tamin’ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia ‘aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.’ ” — I Korintiana 15:30-32.
Ny fanenjehana nihatra tamin’ny kristiana àry dia nifamatotra tamin’ny fanantenan’izy ireo. Raha hevi-dravina fotsiny izany, dia tsy nisy antony tanteraka ny niaretany fanenjehana. Izany no nanosika an’i Paoly hilaza hoe: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.” — I Korintiana 15:19.
Tsy nisalasala na dia kely akory aza anefa i Paoly fa hoe natsangana tamin’ny maty Kristy. Taorian’io fisehoan-javatra io tokoa, dia niseho tamin’ny vavolombelona an-jatony maro i Jesosy, ka anisan’ireny ny tenany (I Korintiana 15:3-8). Koa nanao izao fananarana nandodona izao ho an’ireo kristiana tany Korinto ilay apostoly: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” — I Korintiana 15:58.
Niaiky i Paoly fa raha ny marina, na ny tenany na ireo anisan’ny rahalahiny nijaly noho ny anaran’i Kristy, dia tsy tokony hitserana. Nanana fiainana ampoky ny soa, nahavariana sy faniry tamin’ny lafiny maro izy ireny. Araka ny ohatra nomeny, dia anjarantsika ny mahatsapa fa “ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” — I Timoty 4:8.
◼ Moa ve ny faminanian’i Jesosy hoe ‘hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro’ tokony ho tanteraka eo amin’ny mpivavaka marina?
Manana antony tsara tokony hieritreretana isika fa tamin’ireo teny ireo i Jesosy dia tsy nanambara fa hihamangatsiaka amin’ny ankapobeny ny fitiavana asehon’ireo mpanompon’i Jehovah.
Nanontanian’ny apostoly an’i Jesosy ny hoe ‘inona no ho famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. Ho valiny, dia nambaran’i Kristy ny ady, horohorontany, tsy fahampian-kanina sy fanenjehana ny kristiana. Tamin’izay izy no nanampy teny hoe: “Koa satria hitombo ny tsy firaharahana lalàna, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” — Matio 24:3-12, MN.
Io faminaniana io dia efa nisy fahatanterahany betsaka teo anelanelan’ny fotoana nanononan’i Jesosy ireo teny ireo (tamin’ny taona 33) sy ny fahoriana lehibe nampiharin’ny Romana tamin’i Jerosalema tamin’ny 70 (jereo Lioka 19:41-44; 21:5-28). Nandritra izany vanim-potoana izany, moa ve nihanangatsiaka ny fitiavan’ny ankamaroan’ny kristiana. Tsia. Azo inoana fa olom-bitsy monja no nanda ny kristianisma tao anatin’io taranaka io. Ny ankamaroan’ny kristiana nenjehin’ny Jiosy dia nanohy nanambara ny vaovao tsaran’ny teny sy nampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ireo tsy nino ary ireo rahalahiny tao amin’ny finoana (Asa. 8:1-25; 9:36-42). Tena nihanangatsiaka tokoa anefa ny fitiavana teo amin’ireo Jiosy izay nihambo ho mpivavaka marina. Tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jesosy ny “maro” ka nikomy tamin’i Roma ary nampiasa herisetra mba hiarovana ny firenena jiosy.
Tsy nikendry ny taonjato voalohany ihany anefa ny faminanian’i Kristy. Mahita ny fahatanterahany lehibe indrindra izany amin’izao androntsika izao (Apokalypsy 6:2-8). Sahala amin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, eo amin’ny fampiharana, ireo mpiara-belona amintsika dia mampihena ny finoana asehony. An-tapitrisany maro amin’izy ireny no tonga tsy mpino fisian’Andriamanitra. Na dia eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza ny olona dia mirona hampihena ny fitiavany ny namany. Raha lazaina amin’ny ankapobeny, dia mihena ny fanarahana fivavahana sy ny fahalalana ny Baiboly. Amin’ireo izay toa mpino tokoa, raha ny marina dia be no manandrana mandamina ireo zava-manahirana ny olombelona amin’ny fomba ara-politika. Amin’izany dia miharihary fa eo amin’ireny mihambo ho mpivavaka amin’Andriamanitra ireny no mihamangatsiaka ny fitiavana.
Na dia izany aza dia tsy tokony hianina amin’ny fahombiazany voalohany ny kristiana marina. Koa satria tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy kristiana vitsivitsy niala tamin’ny fitiavany voalohany na nanaiky ho voavilin’ny zava-nanahirana isan-karazany, dia tsy hoe tsy mety hihamangatsiaka ny fitiavantsika (II Timoty 2:16-19; Apokalypsy 2:4). Raha mitranga izany, dia haningana isika raha oharina amin’ny fitambaran’ny mpanompon’i Jehovah. Ny mety hitrangan’izany anefa dia manipika ny ilàna hiaritra hatramin’ny farany mba hovonjena. — Matio 24:13.