Manome fanazavana ny andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly ny horohorontany iray
“Amin’izao fotoana izao izahay dia mandro ao anatin’ny fofom-paty izay hatreo dia nandry tao am-pasany.” Izany no fanazavana nomen’ny mpikambana iray ao amin’ny Vokovoko Mena ny amin’ny vokatra hafahafa nateraky ny horohorontany lehibe nampihovitrovitra an’i Popayan, any Colombie, tamin’ny lohataonan’ny 1983. “Tao amin’ireo toeram-pandevenana, dia nivoha ireo fasana ary nivoaka avy tao ireo faty, hoy ny teny nanampiny. “Tsy mbola nahita zavatra sahala amin’izany mihitsy aho.” Araka ny fitantaran’ny St. Petersburg Times, dia gaga io lehilahy io “nahita ireo maty nivoaka avy tao amin’ny fasany tao amin’io toeram-pandevenana any an-tendrombohitra io. Nahery aoka izany ny horohorontany nampihovitrovitra an’io tanàna misy mponina 200 000 io tamin’ny alakamisy teo, hany ka nirodana ny rindrin’ireo fasana lehibe ary nanjera ireo vatam-paty (...). Nisamboaravoara ny tanàna manontolo toy ny hoe ny tenan’Andriamanitra mihitsy no namely azy tamin’ny ‘marteau-piqueur’”.
Manamarina sy manazava fitantarana iray ao amin’ny Baiboly io fisehoan-javatra tsy fahita io. Ny Baiboly dia mitantara zava-niseho iray sahala amin’izany nitranga tany Jerosalema, 1 900 taona lasa izay, tamin’ny nahafatesan’i Jesosy. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Matio 27:51-53: “Nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, (...) ka niseho tamin’ny maro.” Tamin’izay, sahala amin’ny nitranga vao haingana kokoa tany Colombie, ny maty tafavoaka avy tany anaty tany toy izany dia hitan’ireo vavolombelona, ka ireo vavolombelona ireo no nitantara ny zavatra tamin’ireo olona tao an-tanàna. Tamin’izany heviny izany no nisy olona “nivoaka avy tao amin’ny fasana (...) dia nankao amin’ny Tanàna Masina”. — Matio 27 Andininy faha-53.