‘Manampy antsika handroso ho amin’ny fahamasahana kristiana izy io’
Izany no hevitry ny mpivady kanadiana ny amin’ilay boky hoe Unis dans le culte du seul vrai Dieu navoaka vao haingana. “Efa nianatra tapany lehibe tamin’io boky io izahay mivady, hoy ny nosoratan’ilay vehivavy, ary mbola tsy nisaintsaina toy izany mihitsy ny amin’ny fahamarinana. Eny, io boky io dia tena manampy antsika tokoa hamantatra ny fikasan’ny fontsika. Manosika antsika hiasa izy io ary mahatonga antsika hahatakatra ny tena maha-zava-dehibe ny fitondrantenantsika sy ny fanompoantsika an’i Jehovah. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia io no boky fianarana tsara indrindra mety hanampy antsika handroso ho amin’ny fahamasahana kristiana. Tsy ampy ny teny hilazanay ny fankamamianay an’io boky io.”
Ianao koa dia afaka mandray soa amin’ny fanampian’io boky tsara dia tsara io mba handrosoana ho amin’ny fahamasahana kristiana. Raha maniry hahazo azy io ianao, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Unis dans le culte du seul vrai Dieu.