FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/2 p. 18
  • Ny fanantenana fananganana amin’ny maty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fanantenana fananganana amin’ny maty
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Hisy Fitsanganan’ny Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mahakasika Anao ny Fampianarana Momba ny Fitsanganana Amin’ny Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ahoana no Hananana Fanantenana Marim-pototra?
    Mifohaza!—2004
  • Mahery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/2 p. 18

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Ny fanantenana fananganana amin’ny maty

NY FANANTENANA fitsanganan’ny maty dia anisan’ny “abidim-pianarana” ao amin’ny Baiboly. Afaka manovo tanjaka ara-panahy lehibe avy amin’izany ny olombelona rehefa tsy maintsy misetra fahafatesana (Hebreo 6:1, 2; Jaona 5:28, 29). Io fanantenana avy amin’i Jehovah io, ny japone iray mpianatra tany amin’ny “lycée” dia nanomboka namelona azy sy nampahafantatra izany tamin’ny manodidina azy.

Rehefa niresaka taminy voalohany ny mpitory ilay Fanjakana iray, dia nolavin’io zazalahy io ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly natolotra azy, satria tsy tia ny namaky teny izy. Nekeny anefa ny ho any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tany dia noraisina tamin-kafanam-po izy. Izay reny tany dia nisy heriny mafy teo aminy aoka izany, hany ka taty aoriana izy dia nanasa telo tamin’ireo mpiara-mianatra taminy hiaraka taminy tany. Nanaiky izy rehetra. Aoka homarihintsika aloha fa ireo mpampianatra azy dia nihevitra azy efa-dahy ho “zazalahy maditra”.

Arakaraka ny nianaran’izy ireo ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti, no nialan’izy ireo tamin’ny fihetsiny tia fikomiana. Nanjary voamariky ny anankiray tamin’ireo mpampianatra azy izany ka liana ny hahafantatra ny fahamarinana izy io ary niaraka tamin’ny fianarana ny Baiboly nataon’izy ireo. Ny “filohan’ny andiany” dia nanana fahasahiranana ara-pahasalamana lehibe, ary maty teo amin’ny faha-15 taonany izy. Na dia tsy naharitra aza ny nahafahany nanatrika ireo fivoriana kristian’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahazo finoana nahagaga izy. Tamin’izany, talohan’ny hahafatesany indrindra, dia nanoratra ireto andalan-tsoratra vitsivitsy ireto izy ka naneho ny fitokisany tanteraka ny fanantenana ny fananganana ny maty:

“Noho ny fanampin’aretina vokatry ny maha-zeny ahy, dia tsy ho naharitra afa-tsy 15 taona ny fahavelomako. Tsy ho niaina afa-tsy ampahadimin’ny fiaina ara-dalàna àry aho. Afapo tanteraka ny amin’ireo 15 taona ireo anefa aho. Nahita andro mahatalanjona indrindra aho tao anatin’ny fahadimy ambin’ny folo taona niainako (...) Ny fifaliako lehibe indrindra dia ny nahafantarana fa misy Andriamanitra Tsitoha iray izay hanafoana ny aretina sy ny fahafatesana. Mahatalanjona ny mahafantatra fa raha maty ny tena dia afaka manantena fananganana amin’ny maty.”

Tian’io zazalahy io indrindra ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka ny amin’ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao” ‘hitoeran’ny fahamarinana’. (II Petera 3:13.) Nanampy teny toy izao izy: “Hatory vetivety aho. Raha sitrapon’Andriamanitra, dia ho tafahaona ao amin’ny Paradisa isika (...). Aza mitomany. Hatory fotsiny aho, ary tsy ho ela dia hifoha. Hihaona isika eo ambanin’ny fanjakana arivo taona. Andraso aho. Hiverina haingana aho.”

Noho ny finoany sy ny fanantenany mafy orina, io mpianatra tany amin’ny “lycée” io dia nampahery hafa koa. Ny anankiroa tamin’ireo mpampianatra azy sy telo tamin’ireo mpiara-mianatra taminy dia nanohy nianatra ny Baiboly sy nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha nanohana azy ny fanantenana fananganana amin’ny maty, izany koa dia afaka manatanjaka izay rehetra mino ireo fampanantenan’i Jehovah.

[Sary, pejy 18]

“Hatory vetivety aho. Raha sitrapon’Andriamanitra, dia ho tafahaona ao amin’ny Paradisa isika.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara