‘Mbola ny amin’ny boky menamena iray ihany’
Tany Etazonia, dia tafangona mba hanao ny anankiray tamin’ireo fivoriana nahazatra azy ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray raha naneno ny telefaonina. “Tsy nisy mihitsy olona nahatsiaro ho nandre ny telefaonina naneno tao anatin’ny fivoriana iray”, hoy ny nosoratan’ny anankiray tamin’ireo izay teo taty aoriana. Tao amin’ny Efitrano, dia nisy fifanakalozan-kevitra ny amin’ny fampiasana ilay boky hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis tamin’ny asa fitoriana. “Vinanio izay notadiavin’ilay ramatoa niantso anay, hoy ny tohin’ny taratasy. Hitanareo: ‘Boky menamena iray koa!’ Efa nahazo anankiray tamin’io izy, ka tiany ny hahazo anankiray hafa koa ho an’ny zanany vavy lehibe izay tsy nonina tao an-tranony intsony.”
Tao anatin’ny roa taona monja, io boky fianarana Baiboly misy sary mahafinaritra tokoa io dia navoaka hatramin’ny 15 tapitrisa mahery ary amin’ny fiteny maherin’ny 55. Raha tianao ny hahalala hoe nahoana izy io no nambabo olona maro be toy izany, dia mangataha iray amin’izany amin’ny fandefasana ny tapakila famaliana eto ambany amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis.