FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/10 p. 21
  • Ny fitiavana kristiana miasa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitiavana kristiana miasa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Aza Mitsahatra Mandeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/10 p. 21

Ny fitiavana kristiana miasa

I PHILIPPINES dia mahaforona ny iray amin’ireo lasibatra tsara indrindra ho an’ireo rivo-doza sy ora-mikija avy any an-dranomasina izay indraindray mahatonga tondra-drano mampidi-doza. Amin’ny fisehoan-javatra toy izany, dia ankasitrahana izaitsizy ny mahita ny fitiavana kristiana miasa, araka ny asehon’izao zava-nitranga manaraka izao:

Tany amin’ny faribohitra atsimon’i Carmen, any Davao del Norte, ireo vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny kongregasiona any Mabuhay dia tsy voakasiky ny tondra-drano be loatra. Kanefa na dia izany aza, izy ireo dia nandefa vonjy ho an’ireo rahalahiny kristiana tao amin’ilay tanàna izay niharam-pahavoazana lehibe. Nanangona vary sy zava-pihinana hafa koa àry izy ireo, ary nitondra izany ho any amin’izy ireny. Rehefa naharay izay nilainy indrindra ireo rahalahy tao amin’ireo faritany tra-doza, dia betsaka aoka izany ireo sisa tavela ka nomena ny mpanao raharaham-panjakana mba hozarainy amin’ireo mila izany.

Izany fanehoana fiahiana izany dia nanosika ireo mpanolo-tsaim-panjakana hamoaka hevitra natao hiderana ny vavolombelon’i Jehovah. Toy izao indrindra no vakina amin’izany.

“KOA SATRIA ireo Vavolombelon’i Jehovah tao Mabuhay (...) rehefa nahare ny toe-javatra nahatahotra nihatra tamin’ireo tra-doza tamin’ny tondra-drano teto amin’ny faribohitsika dia namonjy azy ireo avy hatrany tamin’ny fanomezana sakafo mba hanamaivanana ny fahasahiranany sy ny fahoriany;

“DIA MANAPA-KEVITRA izahay (...) ny handray izao volavolan-kevitra izao mba hanehoana ny fankasitrahanay lehibe indrindra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Mabuhay (...) noho ny fanampiana ara-tsakafo nentin’izy ireo ho an’ireo tra-boina.”

Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa mbola misy foana kristiana mendrika izany anarana izany, dia olona izay, rehefa ao amin’ny ilàna izany, dia tsy mandany andro amin’ny “kabary” sy amin’ny “teny tsara lahatra” fotsiny, fa maneho ny “tena fitiavana arahina asa.” — I Jaona 3:18, Bible en fran<u481>ais courant.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara