Velona ny Tenin’Andriamanitra
Iza no tokony handray anjara?
AMIN’NY 29 MARTSA, aorian’ny filentehan’ny masoandro, dia hisy fivoriana an’arivony maro manerana izao tontolo izao tahaka izay hitanao etsy ambony. Io di any fankalazana ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Mariho ny mofo sy ny divay izay hampandalovina. Iza no tokony handray anjara amin’ireo marika ireo?
Izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny nahatoky 11 rehefa nanendry io sakafo fahatsiarovana io izy dia manampy hamaly ilay fanontaniana. Rehefa nampandalo ny kapoaka misy divay tamin’ny apostoliny izy dia niteny hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:20.) Tamin’ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona àry dia nanan-kery ny “fanekena vaovao” iray. Inona moa ny fanekena ‘tranainy’ na “taloha” izay nosoloany? — Hebreo 8:13, MN.
Izany di any faneken’ny Lalàna. Natao tamin’ny firenen’Isiraely fotoana fohy taorian’ny nahafahany tamin’ny fanandevozana tany Egypta izy io. Mosesy no mpanelanelana, na mpanalalana, tamin’izany fanekena nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Isiraelita izany (toy ny maha-“mpanalalana amin’ny fanekena vaovao iray” an’i Jesosy). Ny fanatitra biby teo amin’ny tendrombohitra Sinay no nampanan-kery ny faneken’ny Lalàna (Hebreo 9:15-20). Nefa tsara homarihina fa nisy olona maro be samy hafa tsy Isiraelita izay nandositra avy any Egypta niaraka tamin’ny Isiraelita. Ary na dia nifaly tamin’ny tombontsoa vokatr’io fanekena io aza izy ireo, dia tsy voafaoka ao anatin’io. — Eksodosy 12:38, 43-45, 48, 49.
Misy toe-javatra mitovy amin’izany ao amin’ny fanekena vaovao ao amin’io fanekena amin’i Jehovah Andriamanitra io (Galatiana 6:16). Niresaka ny amin’io isa voafetran’ny kristiana io ho toy ny “ondry vitsy” i Jesosy (Lioka 12:32). Kanefa dia misy “vahoaka betsaka” voaforon’ny “ondry hafa” (Apokalypsy 7:9, 10, 14; Jaona 10:16). Na dia mifaly amin’ny tombontsoa avy amin’ny fanekena vaovao aza izy ireo, dia tsy tafiditra ao anatin’izany.
Nasehon’ny apostoly Jaona ny fahasamihafana eo amin’ireo antoko roa ireo izay mandray soa avy amin’ny soron’i Jesosy rehefa nanazava ny amin’i Kristy toy izao izy: “Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika [ny fahotan’ny “ondry vitsy”] ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” —1 Jaona 2:2.
Koa amin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy àry, dia ireo izay mahaforona “ny Isiraelin’Andriamanitra” ihany no tokony handray anjara amin’ny marika, dia ny mofo sy ny divay. Io fitambaran’ny Isiraelita ara-panahy io dia hiisa ho 144 000 izay hanapaka miaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra (Apokalypsy 14:1). Etsy andanin’izany, ny olona maro be iraisam-pirenena mahaforona ny “ondry hafa”, izay tsy mandray anjara, dia hifaly amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany, ka handray ireo soa avy amin’ny fanapahan’ilay Fanjakana.
[Sary, pejy 28, 29]
“ONDRY HAFA” SY “ONDRY VITSY”