FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/3 p. 4-5
  • Tian’Andriamanitra ho fantatra ny anarany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tian’Andriamanitra ho fantatra ny anarany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Manana Anarana Andriamanitra
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Manana Anarana Andriamanitra
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/3 p. 4-5

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Tian’Andriamanitra ho fantatra ny anarany

EFA nieritreritra ve ianao fa tokony hitondra anarana Andriamanitra? Jesosy izay hite eto miara-mivavaka amin’ireo mpianany dia eo am-pilazana toy izao indrindra: “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany”. (Jaona 17:26). Tsy tokony hahagaga antsika ny hoe manana anarana Andriamanitra. Manana anarana ny olona rehetra, na dia Jesosy Zanak’Andriamanitra aza. — Lioka 1:30-32.

Tian’ny olona ny hiantsoana azy amin’ny anarany. Ary tian’Andriamanitra koa ny hahafantarana ny ananray. Izany no antony nanoratan’ny mpanao salamo toy izao ara-tsindrimandry: “Ary aoka ho fantany fa Hianareo ireny ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18). Efa ela be izay, dia nahariharin’Andriamanitra tamin’i Mosesy ny fiheverany ho zava-dehibe tokoa ny anarany.

Indray andro, raha niandry ondry tany Midiana i Mosesy izay mpiandry ondry, dia nahita zavatra nahagaga: kirihitr’alan-tsilo nirehitra nefa tsy nety levona! Rehefa nanatona izy, araka ny hitanao eo amin’ny sary, mba hijery akaiky kokoa, dia nandre feo niantso avy teo afovoan’ny kirihitr’ala izy nanao hoe: “Ry Mosesy! Ry Mosesy!”

Andriamanitra no niteny. Tiany ny hankanesan’i Mosesy ho any amin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, mba hampamoaka ny vahoakany avy ao amin’io tany io. Namaly azy toy izao anefa i Mosesy: “Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy?” Nanasa an’i Mosesy hamaly azy ireo toy izao Andriamanitra: “Jehovah, Andriamanitry ny razanareo (...), no efa naniraka ahy ho aty aminareo”. — Eksodosy 3:1-15.

Na dia tao aza izany, rehefa nankany Egypta i Mosesy mba hiresaka tamin’i Farao, dia noheverin’ny Egyptiana ho andriamanitra tsy misy antony Jehovah. Noheveriny ho Andriamanitry ny zanak’Isiraely fotsiny izy fa tsy an’ny tany manontolo (Eksodosy 5:2). Koa, tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nampahafantarin’i Jehovah an’i Farao fa hisy zavatra hataony ‘mba hanambarana any amin’ny tany rehetra ny anarany’. (Eksodosy 9:16.) Fantatrao ve ny fomba nanaovany izany?

Noho Jehovah, dia nivoaka avy tany Egypta teo ambany fitarihan’i Mosesy ny Isiraelita. Nanenjika azy anefa ny Egyptiana. Rehefa tonga teo amin’ny ranomasina Mena ny Isiraelita dia toa tsy nanantena mihitsy ny ho afa-mandositra ny mpanenjika azy ireo. Nandidy an’i Mosesy anefa Jehovah mba haninjitra ny tehiny teo ambony rano, ary dia nisaraka ny rano ka namela ny Isiraelita nandositra hita ny ranomasina tamin’ny tongotra maina. Avy eo, dia nasain’i Jehovah naninjitra ny tehiny indray Mosesy; izany no hitanao ataony eo amin’ny sary. Tamin’izay dia nanarona ny Egyptiana ny rano ka maty an-drano izy rehetra. Niely hatraiza hatraiza ny vaovao ny amin’izany, hany ka vahoana maro no nandre firesahana ny amin’ny anaran’Andriamanitra. — Eksodosy 14:21-31; Josoa 2:9-11.

Ary amin’izao andro izao, mbola tian’Andriamanitra foana ve ny hahafantarana ny anarany maneran-tany? Izany tokoa. Mbola tsy nisy nilan’ny olona ny hahafantatra an’i Jehovah sy hanompo azy toy izao. Raha tsy izany, sahala amin’ireo Egyptiana kirina izay tsy tia ny hahafantatra azy, dia mba ho ringana koa izy ireo “raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra, (...) hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra”. — II Tesaloniana 1:7-9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara