FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/2 p. 29
  • Valisoan’ny nitadiavana ny fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valisoan’ny nitadiavana ny fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/2 p. 29

Valisoan’ny nitadiavana ny fahamarinana

Tany Irlande, ny olona sasany dia nitady ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahafantarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Inty misy ohatra iray: Ny Vavolombelona iray dia namela ny bokikely iray tamin’ny vehivavy iray izay namaky azy, avy eo dia nanome ilay izy ny vadiny. Rehefa, afaka tapa-bolana teo ho eo taty aoriana, dia tonga tao amin’ilay Vavolombelona io lehilahy io ka nilaza toy izao tamin’ny vadin’izy io: “Nanome bokikely ny vadiko ny vadinao. Novakiko ilay izy ary matoky aho fa fahamarinana no voalazany. Ho tiako ny hiresaka amin’ny vadinao. Efa tapa-bolana izay no nitadiavako azy.”

Nanazava io lehilahy io fa nahaliana azy aoka izany ny Baiboly. Raha ny marina, tamin’ny famakiana Baiboly katolika fotsiny, dia takany, hoy ny filazany, fa ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanampy teny toy izao izy: “Ho tiako ny hahafantatra raha misy toerana ho ahy ao amin’io Fanjakana io.”

Nanao fandaharana àry ireo mpivady Vavolombelona mba handeha hitsidika an’io lehilahy io sy ny vadiny. Nahatonga ho afaka hanao fifanakalozan-kevitra araka ny Baiboly naharitra io fitsidihana io, ary ny alahady nanaraka dia nitondra an’ireo zanany hihaino lahateny ampahibemaso iray tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy mivady. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia nianatra ny Baiboly tsy tapaka izy ireo. Tsy ela, io fianakaviana nikatsaka ny fahamarinana io dia nanaisotra tsy ho ao an-tokantranony ireo zavatra mifamatotra amin’ny fanompoam-pivavahan-diso ary nandroso tsara kokoa tamin’ny ara-panahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara