’Tiako ny fomba famelabelaran’izy ireo ny zava-manahirana’
Ireo teny ireo dia nalaina avy amin’ny taratasin’ny vehivavy mpamaky iray any Pérou, nosoratany ho an’ny mpampanonta Ny Tilikambo Fiambenana. Tiany ny nilaza fa nankasitrahany aoka izany ny fahatsoran’ny Ny Tilikambo Fiambenana rehefa namelabelatra ireo zava-manahirana ara-pianakaviana. Izao no nosoratany:
“Marina dia marina ny lazain’ny gazetinareo. Tsapan’ny tenako ny fahatsiarovana (indraindray manorina, indraindray mandrava) lazalazainy. Nila tsy hino ny masoko aho rehefa namaky izany tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Nieritreritra tokoa aho fa tsy hain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hanana fomba fiteny toy izany. Tiako anefa ny fomba famelabelaran’izy ireo ny zava-manahirana sy ny fahakingany hahita ny teny marina. Marina izay rehetra lazain’izy ireo. (...) Rehefa namaky Ny Tilikambo Fiambenana aho, dia niteny anakampo hoe: ’Nahita olona ampy fahamarinana mba hilaza ny zavatra araka ny tena izy sy tsy hody tsy hahalala ny zava-manahirana aho.’”
Raha mihevitra ianao fa mila torohevitra sy fampaherezana mba hisetrana ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana ankehitriny, dia matoky izahay fa hahafaly anao ny hamaky “Ny Tilikambo Fiambenana”. Amin’ny 3300 FMG (660 ariary) monja dia ho afaka handray an’ity gazety ity mandritra ny herintaona ianao — nomerao 24 izany. Azonao atao ny manao famandrihana amin’ny anankiray amin’ireo fiteny voatanisa ao amin’ny pejy faha-2.
Avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-2 amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba anaovy famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana aho. Iny alefako ny vola 3300 FMG (660 ariary). Amin’ny fanontana mivoaka indray mandeha isam-bolana, ny vidin’ny famandrihana dia 1650 FMG (330 ariary).