FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/10 p. 272
  • Hanamasina ny anarany ve hianao izao ?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanamasina ny anarany ve hianao izao ?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/10 p. 272

Hanamasina ny anarany ve hianao izao?

MIFONO hevitra lalina mihitsy ilay fivavahana tsara alain-tahaka nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany ary manomboka indrindra amin’ny teny hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao”! Toy inona moa ny maha-zava-dehibe ny antony nametrahan’i Jesosy io fangatahana io eo am-piandohana amin’ilay fivavahana nampianariny ny mpianany! Hatreo, dia tsy azontsika rehetra izay velona amin’izao fotoana izao atao ny manen-danja io fangatahana voalohany io, toy ny tsy nanaovan’i Kristy izany. Ny Tompo Jesosy dia tsy nametraka ny anarany teo amin’ny voalohan-daharana. Ny anaran’ny Rainy any an-danitra no napetrany ho eo ambonin’ny anarany. Tena izany tokoa, satria raha nampianatra ny mpianany io fivavahana io izy, izay iarahan’ny be sy ny maro miantso hoe ny Rainay Izay any an-danitra, dia tsy nampianatra azy ireo hanao sy hilaza io fivavahana io amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Vao tamin’ny faran’ny andro niainany teto an-tany izy no nilaza tamin’ny mpianany hivavaka amin’ny Ray any an-danitra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, noho ny maha-Zanak’Andriamanitra azy sy Mpanelanelana ny olombelona amin’Andriamanitra. (Jaona 14:13, 14; 15:16; 16:23, 24, 26). (...)

Mba ho fakantsika tahaka ilay Zanak’ Andriamanitra voalohany indrindra, izay nampianatra ny Rainay Izay any an-danitra, dia tokony hirintsika koa ny hanamasina ny anaran’Andriamanitra Ray eo amin’ny fiainantsika. Eny, hiara-miasa amin’i Jehovah Andriamanitra isika amin’ ny fanamasinana ny anarany. Arakaraka ny hahafantarantsika ny anarany sy ny hevitr’io anarany io amin’ny zava-boahary rehetra manerana izao rehetra izao, no hahafantarantsika mazava fa miendrika ny hamasinina indrindra io anarana io ary diovina amin’ny fahafaham-baraka izay nandotoan’ny olombelona azy. Ho fantantsika koa ny antony mahamarina ny handevonana ireo rehetra izay manda tsy hiantso io anarana io ary maniratsira sy manala-baraka azy. Koa rariny arak’izany ilay tonom-bavaka ara-tsindrimandry voalaza ao amin’ny Salamo 79:6 (AC), izay manao hoe: “Amparo amin’ny firenena tsy mahalala anao ny hatezeranao, sy amin’ny fanjakana tsy miantso ny anaranao.” Koa tsy tafahoatra akory arak’izany ny milaza fa izay tsy miraharaha ny anaran’i Jehovah dia ho levona! — “Que ton nom soit sanctifie”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara