Tsy fividy amim-bola ny fahamarinana
TANY ISIRAELY dia nisy jiosy anankiray nampiseho fankasitrahana ny asan’ny vavolombelon’i Jehovah; toy izao manaraka izao ny fanambarana nataony: “Indray andro dia nisy olona nandòndòna tao am-baravarako. Tsy iza io fa lehilahy iray nirahin’ny raby jiosy. Nampahafantarin’io lehilahy io aho, izay nahafantatra ahy hoe niova finoana, fa nanao fivoriana izy mpampianatra jiosy rehetra ary tonga izy nampahalala ahy fa vonona io komity io hanampy ahy amim-bola raha tahiny miova hevitra aho ka hiverina indray amin’ny fivavahana jiosy, satria noheverin’io komity io fa ny antony niovako finoana, dia noho ny tsy fananako vola. Dia novaliako ilay lehilahy tamin’ny teny hoe: misy zavatra betsaka tsy azo vidina amim- bola no sady tsy azo hamidy hahazoam-bola, ka ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, no voalohany indrindra amin’ izany zavatra izany. Ny vavolombelon’i Jehovah no nitondra ho ahy izany fahamarinana izany. Dia hoy ny navalin’io mpampianatra jiosy io ahy: ‘Iza moa Jehovah?’ Dia novaliako izy hoe: ‘Mahamenatra loatra raha Jiosy ka tsy hahalala ny anaran’i Jehovah!’ Dia noraisiko ny Baiboliko ary nampisehoko andalan-teny vitsivitsy izy no sady nanontaniako raha tahiny ekeny ireo porofo ireo. Hita tsotra izao fa sahiran-tsaina ilay lehilahy, ary hoy izy ningonongonona: ‘Efa ela mihitsy aho no tsy nanana ny Baiboly teto an-tanako. Koa sarotra amiko arak’izany ny hampiasa azy mba ahazoako mamaly anao.’ Dia hoy aho taminy: ‘Raha tahiny ary tsy fantatrao ny anaran’Andriamanitra ary tsy fantatrao koa ny Teniny voasoratra, ny Baiboly, inona moa no antony ivavahanao ary amin’iza no andefasanao ny vavaka ataonao raha mby ao amin’ny synagoga?’ Tsy fantany izay holazaina. Hoy izy: ‘Hilaza zava-miafina iray aminao ve aho? Tsy manana finoana na amin’inona na amin’inona aho. Ampy sy mahafaly ahy ny manaraka ny fampianarana natolotry ny razako aho. Ny zavatra tena imasoako dia ny miasa ao amin’ny foiben’ny fampianarana jiosy sy ny mandray ny vola karamako.’ Nony avy nitory teny taminy aho, dia nametrahako boky sy gazety madinika izy no sady niangaviako hampita ny fisaorako any amin’ireo raby amin’ny fanampiana amim-bola nokasainy hatao amiko, dia fanampiana izay tsy ilaiko velively akory, noho izaho nametraka ny fahatokiko amin’Andriamanitra velona atao hoe: Jehovah.”