FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/7 p. 147-148
  • Inona moa no zava-kendrena amin’ny fiainana ?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona moa no zava-kendrena amin’ny fiainana ?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika ho velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ankehitriny sy ho mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Miezaha Hanana Tanjona Mahafa-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Fanontaniana 1: Fa Maninona àry Aho no Nisy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Jehovah — Ilay Andriamanitry ny Fikasana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/7 p. 147-148

Inona moa no zava-kendrena amin’ny fiainana ?

MBA FANTATRAO MOA fa misy olona iray alina isan’andro no mamono tena eran’izao tontolo izao? Ampitomboy in-365 izany isa izany, dia ho hitanao fa isa mampitahotra no ho azonao isan-taona, mihoatra lavitra ny isan’ny mponina ao amin’ny tanana sasantsasany amin’izao tontolo izao. Inona moa no mahatonga fahakiviana ao amin’ny olona marobe toy izany? Tsy misy ny maha-izy azy intsony va ny fiainana amin’izy ireny? Tsy nilaina intsony va izy? Nanadino ny fahatsiarovana ny adidiny amin’ny tenany ihany sy amin’ny namany ary amin’Andriamanitra izay Mpamorina azy va izy ireny?

Fantatra fa, mba hahasambatra azy, dia tsy maintsy manana zava-kendrena amin’ny fiainana ny olona. Ny sasany dia mitady hanasoa ny namany sy hitondra azy am-pitiavana, izany hoe vonona hanampy ny namany amin’ny zavatra ilainy. Ny an’ny sasany indray kosa, dia ny fifaliana sy ny fanaranam-po amin’ny fahafinaretana, no zava-kendreny amin’ny fiainana. Ny hafa indray kosa dia miasa mafy mba hahazoana fiadanana ara-bola. Ny an’ny hafa indray, ny fiainana dia mifantoka indrindra eo anivon’ny fianakaviany sy ny tokantranony. Raha tsaraina amin’ny tsy fisian’ny fiadanana marina amin’ireo olona manaraka ireo zava-kendrena samihafa ireo, dia hita miharihary ny ny tsirairay amin’ireo zava-kendrena na tanjona tiana ho tratra ireo, izay noheverina ho votoanton’ny fiainana, dia tsy ampy velively. Inona moa no zava-kendreny ambony noho izay nataon’ny Mpamorona teo anatrehan’ny olona?

Mampiseho ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, fa ny tena zava-kendrena amin’ny fiainantsika, dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Namafisin’i Solomona hendry indrindra izany, ka hoy izy: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, hoy izy, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13). Nampiseho tsara koa i Simona Petera, apostolin’i Jesosy Kristy, tao amin’ny taratasy nalefa ho an’ny kristiana voalohany, fa ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra “no tokony hataon’ny olona rehetra”, raha hoy izy: “Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany: fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota, mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.”—I Petera 4:1-3.

Koa satria ny zava-kendrena amin’ny fiainantsika, dia ny iaina tsy “araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra”, dia manana adidy isika, noho izany, hahafantatra izay sitrapon’Andriamanitra. Tsy mety ho fantatra fotsiny avy amin’ny feon’ ny fieritreretan’ny tsirairay, na ny fombafomba isan-karazany, na ny fampianaran’ny katesizy, ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nampianarina ny ray aman-dreny koa mazana, ny fahalalana izany sitrapo izany. Manome izany fahalalana izany ho antsika Andriamanitra ao amin’ny pejin’ny Baiboly azo tamin’ny tsindrimandry, ka dia manao izany Boky izany ho mpitari-dàlana sy sakaiza azo antoka, ny olona manana fahendrena.

Mampiseho miharihary ny Baiboly, fa ny ilain’Andriamanitra dia ny atahorantsika Azy, dia izy izay Andriamanitra marina mitondra ny anarana hoe: Jehovah, fa tsy ny olona. Asehony antsika fa tokony “hitandrina ny didiny” isika. Izany didy izany dia mifandray amin’ ny fitondrantenantsika sy ny asantsika, izay tokony ho masina satria izany no ilan’Andriamanitra azy. Eo amin’ny fiandohan’ny taratasiny voalohany. dia nanamafy ny ilana ny hahamasina ny fitondrantenantsika ny apostoly Petera, satria ilain’Andriamanitra izany, ka hoy izy: “Anaka maneke, tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho’. (I Petera 1:14-16, MN). Ny dikan’izany dia izao: mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy manana fiainana voatokana ny olona, fiainana mifanaraka amin’ny hitsiny sy ny fahamasinana voafaritr’Andriamanitra. Noho izany ary, dia tsy mahazo mandeha amin’ny lalan’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao, ny olona izay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ampy izay, tena be loatra tokoa aza, no nanaovana hatramin’ny andro lasa ny fanaon’ny jentilisa, hoy Petera; raha hanaraka ny zava-kendrena marina amin’ny fiainana, dia tsy maintsy manararaotra ny fotoana sy mampiasa azy, ary koa ny farisihana sy ny hery izay nampiasaina fahiny hanaovana ny sitrapon’ny olona. Ankehitriny dia tokony ampiasaina izany hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

Nilaza koa Petera fa izay te-hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitàna fiadiana. Mitàna fiadiana manao ahoana moa izany? “Amin’ny toe-tsaina mitovy” amin’ny an’i Jesosy Kristy. Noho ny fiarovana azo antoka, dia tsy atahorana ny hakiviana, ny alahelo sy ny tsy fisian’ny zava-kendrena amin’ny fiainana! Mba ahafahana mitana fiadiana amin’ny toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jesosy, dia tsy maintsy mahafantatra izay zavatra nampianarin’i Jesosy: dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Izay rehetra manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia mametraka io Fanjakana io, ho voalohan-toerana eo amin’ny fiainany, toy ny nataon’i Jesosy, amin’ny fanarahana ity fitsipika manaraka ity hoe: “Koa katsaho hatrany aloha ny fanjakana sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ny zavatra ilaina ara-nofo izany rehetra izany.” (Matio 6:33, MN). Raha manao toy izany isika, dia hanana fanantenana mafy orina ny hiaina mandrakizay noho ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanatipanavotan’i Kristy, fanatitra izay nanolorany ny ain’olombelony tonga lafatra.

Tsy maintsy mampianatra ny hafa ny sitrapon’Andriamanitra koa, ny kristiana izay manaraka ny zava-kendrena amin’ny fiainany. Izany dia hitarika azy hanazava amin’ny hafa ny mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra miorina any an-danitra sy hampianatra azy ny fomba hanomezan’io Fanjakana io ny fanambinany ho an’ny olona mpankato rehetra. Eny, sitrapon’Andriamanitra tokoa ny ilazan’ ny kristiana marina amin’ny namany ny hafatra mahavonjin’Andriamanitra, dia famonjena avy amin’i Jesosy Kristy amin’ny alàlan’ ny Fanjakany any an-danitra ka hampitoetra ny fandehan-javatra vaovao sady marina.

Nampahafantatra ny anton’ny iainany Jesosy, raha tetỳ an-tany; hoy Izy: “Izao no nahaterahako ary izao no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao: mba ho vavolombelona hanambara ny marina.” (Jaona 18:37, MN). Niodikodina tamin’izany zava-kendrena izany ny asany rehetra. Amin’ireo izay rehetra mifanerasera aminy, amin’ireo manana fanetren-tena ka maniry hahafantatra ny zava-kendrena marina amin’ny fiainana, dia nanafatra azy Jesosy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mora akory ny miaina mifanaraka amin’ny ohatra navelan’i Jesosy, kanefa manana andraikitra hanao arak’izay azony atao ny tsirairay avy mba hidera an’Andriamanitra, ka amin’izany no hahafantaran’ny hafa ny mikasika ny sitrapon’ny Mpamorona. Tsy sanatria akory Andriamanitra hoe: tsy manana fieritreretana; ankasitrahany tokoa ny fiezahana araky ny fahatsorana ataontsika mba ivelona araky ny sitrapony.

Noho izany, dia tena ilaina tokoa ny hanarahana arak’izay azontsika atao ny zava-kendrena mendrika izay mampiseho ny fahatahorana an’Andriamanitra marina sy ny fitandremana ny didiny amin’ny iainana “tsy araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra”. Amin’izay dia manaraka marina ny zava-kendrena amin’ny fiainana isika, ary afaka manantena higoaka fahasambarana mandrakizay eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara