VATA
1. Vata kely nanafenan’i Jokebeda ny zanany telo volana, ary hitan’ny zanakavavin’i Farao teny amin’ny bararata amoron’i Neily. Tao anatiny ilay zaza “nahafatifaty” nantsoiny hoe Mosesy. Vata kely (heb.: tevah) zozoro ilay izy, ary nopetahina godorao mivaingana sy ranony mba tsy hidiran’ny rano.—Ek 2:2-4, 10; 6:20.
2. Vata vita tamin’ny hazo akasia nametrahana ireo takela-bato faharoa nisy ny Lalàna izay nomena an’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay, mandra-pahavitan’ny Vata misy ny fifanekena, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. (De 10:1-5) Avy amin’ny teny hebreo hoe ʼarôhn izay nadika koa hoe “vatam-paty” (Ge 50:26) ny hoe “vata.”—De 10:1-5.
3. Jereo VATA MISY NY FIFANEKENA.