AFO SY EMBOKA MANITRA TSY ARA-DALÀNA
Ilay teny hebreo hoe zar no nadika hoe “tsy ara-dalàna” (zarah no endriny milaza vavy; a.b.t.: hafahafa). (Le 10:1, 2; No 3:4; 26:61) “Nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah” i Nadaba sy Abiho, “nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany.” (Le 10:1) Nisy afo àry nandoro an’ireo zanakalahin’i Arona ireo, ka maty izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’i Arona: “Aza misotro divay na toaka ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranakareo, mba hahaizanareo hanavaka ny zavatra masina sy ny tsy masina ary ny maloto sy ny madio, sady mba hampianarana ny zanak’Israely ny fitsipika rehetra nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy.” (Le 10:8-11) Asehon’izany fa toa mamo i Nadaba sy Abiho matoa izy ireo sahisahy nanolotra afo nefa tsy nandidian’Andriamanitra azy izany. Nolazaina hoe tsy ara-dalàna ilay afo, satria mety ho ny fotoana na ny toerana na ny fomba nanolorana azy no tsy araka ny lalàna, na mety ho emboka manitra tsy nomanina araka ny toromarika voalazan’ny Eksodosy 30:34, 35 koa ilay izy. Marina fa mamo izy ireo, nefa tsy nanala tsiny azy izany.
Ampiasaina koa ny zar mba hilazana an’ilay emboka manitra tsy ara-dalàna nodorana teo amin’ny alitaran’ny emboka manitra tao amin’ny Toerana Masina.—Ek 30:9.