ZELOFADA
(Zelôfàda) [mety hidika hoe “Aloka (Fialofana) Amin’ny Tahotra”].
Taranak’i Manase i Zelofada, satria zanak’i Hefera zanak’i Gileada zanak’i Makira izay zanak’i Manase. (No 26:29-33) Maty nandritra ireo 40 taona nivezivezen’ny Israelita tany an-tany efitra i Zelofada. “Tsy mba anisan’ilay vahoaka nanohitra an’i Jehovah niaraka tamin’ny olon’i Kora” izy, fa “maty noho ny fahotany ihany.” (No 27:3) Tsy nanan-janakalahy izy rehefa maty, fa zanaka dimy vavy ihany (Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza), izay samy tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—No 27:1; 1Ta 7:15.
Nampisy olana ny toe-javatra maningana toy izany, rehefa nangataka ny anjara tanin’ny rainy teo amin’ny faritanin’i Manase ireo zanakavavin’i Zelofada. Nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah àry ilay raharaha. Namoaka didy Andriamanitra fa raha nisy zanakavavy tsy nanana anadahy, dia tokony homena azy ny lovan’ny fianakaviana. (No 27:1-9; Js 17:3, 4) Nilaza koa Andriamanitra taorian’izay, fa tsy maintsy nanambady olona avy tao amin’ny fokon’ny rainy ihany ireo zanakavavin’i Zelofada, mba tsy hifindra foko ny lova.—No 36:1-12.