FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Karavasy”
  • Karavasy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Karavasy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanadio ny Tempoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Rehoboama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tahaka Izay Izy Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Manadio ny Tempoly i Jesosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Karavasy”

KARAVASY

Tady na hoditra lavalava nasiana tahony, ary nampiasaina hatry ny ela mba hikapohana olona (2Ta 10:11, 14) na hibaikoana biby.​—Oh 26:3; Na 3:2.

Nanafay an’ireo Israelita tamin’ny “karavasy tsotra” i Solomona, fa i Rehoboama zanany nandimby azy kosa nirehareha hoe “karavasy misy zava-maranitra” no hanafaizany azy ireo. An’ohatra anefa ireo “karavasy” noresahin’i Rehoboama, ary midika ara-bakiteny hoe “maingoka” ilay teny hebreo (ʽakrabbim) nadika hoe “karavasy misy zava-maranitra.”​—1Mp 12:11, 14; 2Ta 10:11, 14.

Niresaka momba ny “karavasin’ny lela” i Elifaza Temanita. (Jb 4:1; 5:21) Mety handratra mantsy ny teny atao rehefa tsy voafehy ny lela, toy ny rehefa manendrikendrika sy manevateva.​—Ampit. Oh 12:18; Jk 3:5-10.

“Nanamboatra karavasy tady” i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 30, “ka noroahiny hiala tao amin’ny tempoly izay rehetra niaraka tamin’ny ondry sy omby.” Ny biby ihany fa tsy ny olona niaraka tamin’ny ondry sy omby no nokaravasiny, satria nasainy nivoaka koa ireo mpivarotra voromailala fa tsy nokaravasiny. Tsy afaka nivarotra intsony ireo olona ireo rehefa noroahina tamin’ny karavasy ny bibiny, satria tsy maintsy nandeha nanangona azy ireny izy ireo.​—Jn 2:13-17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara