VARIMBAZAHA
Voamadinika nohanin’ny olona hatry ny ela, ary indroa na intelon’ny vidin’ny vary orza ny vidiny indraindray, na taloha na ankehitriny. (Ampit. 2Mp 7:1, 16, 18; Ap 6:6.) Natao mofo ny varimbazaha (heb.: hittah; gr.: sitôs), na ny varimbazaha nafangaro voamadinika hafa. (Ek 29:2; Ezk 4:9) Azo nohanina manta (Mt 12:1) koa izy io, na nototoina nefa tsy natao vovony. Ny salohiny maitso no tena natono. (Le 2:14; 2Sa 17:28) Anisan’ny fanatitra ho an’i Jehovah (1Ta 23:29; Ezr 6:9, 10) sy hetra naloan’ny foko na firenena resy ny varimbazaha.—2Ta 27:5.
Maitso ny varimbazaha ary toy ny ahitra rehefa tanora, fa mivolombolamena kosa rehefa matoy, ary mety ho 60 sm ka hatramin’ny 1,5 m ny haavony. Lava manify ny raviny, ary misy salohy ny tendron’ny tahobeny. Maromaro ny salohy isaky ny tahon’ny karazany iray (Triticum compositum) tany Ejipta fahiny sy ankehitriny. (Ampit. Ge 41:22, 23.) Misy volony mafy manindrona ny fonom-boan’ny karazana varimbazaha nambolena tato ho ato tany Palestina, ary angamba koa ny nambolena fahiny.
Nisy varimbazaha sy vary orza tokoa tany Palestina, araka ny nampanantenain’Andriamanitra ny Israelita. (De 8:8; 32:14; Sl 81:16; 147:14) Nanana ny ampy izy ireo sady afaka nanondrana koa. (2Ta 2:8-10, 15) Namidy tany Tyro ny entana avy any Joda sy Israely, toy ny “varimbazaha avy any Minita”, tamin’ny andron’i Ezekiela.—Ezk 27:17.
Niarakaraka nafafy ny varimbazaha sy ny vary orza tany Palestina tamin’ny volana Bola (Oktobra-Novambra), rehefa azo nasaina ny tany lenan’ny oram-pararano aloha. (Is 28:24, 25) Taorian’ny fijinjana orza ny fijinjana varimbazaha (Rt 2:23; ampit. Ek 9:31, 32), izay fotoana nankalazana ny Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta tamin’ny volana Sivana (Mey-Jona). Natao fanatitra ahetsiketsika ho an’i Jehovah tamin’io fety io ny mofo roa nisy lalivay vita tamin’ny lafarinina varimbazaha. (Ek 34:22; Le 23:17) Nohosihosena, nokororohina, ary nosivanina ny varimbazaha, vao notehirizina tao anaty lavaka ambanin’ny tany (toa miresaka an-kolaka an’izany ny Jeremia 41:8).
Miresaka varimbazaha an’ohatra koa, toy ny olona ankasitrahan’i Jehovah na ny “zanak’ilay fanjakana”, ny Baiboly. (Mt 3:12; 13:24-30, 37, 38, f.a.p.; Lk 3:17) Varimbazaha ilay “voa” noresahin’i Jesosy sy ny apostoly Paoly, tao amin’ny fanoharana momba ny fitsanganan’ny maty. (Jn 12:24; 1Ko 15:35-38) Toy ny fanasivanana vary ny fitsapana ny mpianatr’i Jesosy, noho ny fisedrana efa hanjo azy.—Lk 22:31.