FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sarety”
  • Sarety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sarety
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitaterana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hizotra eo Ankavia sa eo Ankavanana?
    Mifohaza!—2005
  • Soavaly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tady
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sarety”

SARETY

Sarety hazo ny sarety fahiny, sady tsotra. Nisy rantsany ny kodiarany na bolongan-kazo be fotsiny. (1Sa 6:14) Tsy nisy sisiny ny sarety sasany, roa ny kodiarany, ary nisy toy ny zioga teo aloha. Ny hafa kosa nisy sisiny, na nisy tafo toy ireo sarety enina (samy notarihin’ny omby roa) nitondrana ny fitaovan’ny tranolay masina. (No 7:2-9) Mety ho sarety misy kodiarany efatra ny “kalesy” resahin’ny Apokalypsy 18:13.

Notarihin’ny omby fa tsy soavaly ny sarety tany Israely fahiny. Nitarihana kalesy sy nentina niady mantsy no tena nampiasana ny soavaly. (2Sa 6:3, 6; 15:1; 1Ta 13:7, 9; Oh 21:31) Nitondrana olona (Ge 45:19, 21, 27; 46:5), varimbazaha, ary entana hafa ny sarety. (1Sa 6:7-14; Am 2:13) Kalesin’ady (toy ilay resahin’ny Sl 46:9) kosa angamba no nitondrana ny entan’ny miaramila. Be soavaly tany Israely tamin’ny andron’i Isaia mpaminany (Is 2:7), ka nitarihana sarety teny am-pamoloana ny soavaly.​—Is 28:27, 28.

Hahita loza ireo “mitaritarika fahotana toy ny amin’ny tadin-tsarety”, hoy i Isaia. Toy ny hoe mifatotra amin’ny olona toy izany mantsy ny fahotany, hoatran’ny biby mifatotra amin’ny sarety tarihiny.​—Is 5:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara