FERY
Loaka na tataka manaintaina eo amin’ny vatana. Tsy mitovy amin’ny ratra izy io, satria tsy hoe nisy zavatra nandratra azy mivantana. Mety ho ratra kely (ohatra hoe kiaka eo amin’ny hoditra) anefa no mahatonga ny fery mitera-mena. Mety ho eo amin’ny hoditra ivelany ny fery, nefa mety ho eo amin’ny faritra malamalama any anaty koa. Matetika ny fery no mamoaka nana, sady manimba sy mamono tsikelikely an’izay sela misy azy. Eny amin’ny ranjon’ny olona matetika no misy ny fery mitera-mena sy mahamay ary manaintaina.
Ilay teny hebreo hoe mazôhr no nadika hoe “fery”, indraindray, ao amin’ny Soratra Hebreo. Mety hidika hoe fery na vay izy io. Misy manam-pahaizana mihevitra fa midika hoe ratra misy loto mila poretina hivoaka izy io. Ilay teny grika hoe helkôs kosa no midika hoe fery, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mampiasa an’io teny io ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Eksodosy 9:9 sy Joba 2:7 mba handikana ilay teny hebreo hoe shehin, izay midika hoe vay.—Jereo VAY.
Heviny an’ohatra. Misy faminaniana milaza fa marary i Efraima (Israely), ary misy “fery” i Joda, satria nanao ratsy izy ireo ka tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony. Tsy natoky izy ireo hoe hiaro azy tamin’ny fahavalony i Jehovah. Nitady fanampiana tany amin’ny mpanjakan’i Asyria àry izy ireo. Very maina foana anefa izany, satria tsy nahasitrana azy tamin’ny ‘feriny’ akory io mpanjaka io. (Ho 5:13) Tatỳ aoriana, dia nentina ho babo tany Babylona i Ziona (na ny mponin’i Ziona). Izany no tiana holazaina amin’ilay hoe nisy fery izy.—Je 30:12-15, 17; ampit. Lk 16:20, 21; Ap 16:2, 10, 11.